FANONTANIANA 17
Inona ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny fianakaviana?
LEHILAHY
“Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny tahaka ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy. ... Aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.”
“Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”
VEHIVAVY
“Aoka ... ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.”
“Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo fa zavatra mety izany eo imason’ny Tompo.”
ANKIZY
“Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo araka ny sitrapon’ny Tompo, fa marina eo imasony izany. ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany mirakitra an’izao fampanantenana izao: ‘Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.’ ”
“Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany.”