FANONTANIANA 18
Inona no hanampy anao hanatona an’Andriamanitra?
“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”
“Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”
‘Raha ny marina, dia tsy lavitra antsika tsirairay Andriamanitra.’
“Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa hatrany, ao anatin’ny fahalalana marina tsara sy ny fahaiza-manavaka tanteraka.”
“Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.”
“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary diovy ny fonareo, ry mpisalasala.”
“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”