FANONTANIANA HO AN’IREO MANIRY HATAO BATISA
Fizarana 2: Ny Fiainantsika Kristianina
Rehefa nianatra Baiboly ianao, dia lasa nahalala ny zavatra takin’i Jehovah aminao. Fantatrao koa hoe ahoana no hanarahana ny fitsipiny. Nampihatra ny zavatra nianaranao ianao, ka mety ho efa nanova ny fitondran-tenanao sy ny fomba fiainanao. Efa tapa-kevitra ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana ianao izao, ka azony ekena ny fanompoana ataonao rehefa mitory ny vaovao tsara ianao.
Hanampy anao hisaintsaina foana ny zavatra takin’i Jehovah aminao ity famerenana ity. Hampahatsiahivina ato ireo zavatra sasany tokony hataonao mba hahazoanao sitraka aminy. Hazavaina ato fa zava-dehibe ny manana feon’ny fieritreretana madio sy ny manome voninahitra an’i Jehovah amin’izay rehetra atao.—2 Kor. 1:12; 1 Tim. 1:19; 1 Pet. 3:16, 21.
Efa betsaka izao ny zavatra nianaranao, ka azo antoka hoe vonona hankatò ny fitsipik’i Jehovah ianao ary te ho anisan’ny fandaminany. Misy fanontaniana sy andinin-teny ato hanampy anao handinika hoe ahoana izany manaiky ny lamina apetrak’i Jehovah izany, na eo anivon’ny fiangonana, na ao an-trano, na rehefa mifandray amin’ny manam-pahefana eto amin’ity tontolo ity. Vao mainka ianao hankasitraka ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hampianarana sy hanatanjahana ny finoan’ny vahoakany, anisan’izany ny fivorian’ny fiangonana. Hivory foana sy handray anjara amin’izany ianao raha mbola mamela anao hanao an’izany ny toe-javatra misy anao.
Horesahina ato amin’ity fizarana ity koa hoe tena zava-dehibe ny mandeha mitory foana, ka manampy ny olona hahalala an’i Jehovah sy ny zavatra ataony ho an’ny olombelona. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Ankoatra izay, dia hanampy anao izy ity mba hahatakatra hoe tena zava-dehibe ny fanokanan-tenanao sy ny batisanao. Matokia fa tena faly i Jehovah mahita ny zavatra ataonao mba hampisehoana hoe ankasitrahanao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehony aminao.
Inona ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana? Inona ihany no antony azo isarahana raha jerena ny Soratra Masina?
“Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona. ... Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.”—Mat. 19:4-6, 9.
Nahoana no tokony ho vita soratra ara-dalàna ny lehilahy sy vehivavy miara-mipetraka toy ny mpivady? Efa vita soratra ara-dalàna ve ianareo mivady (raha manambady ilay mpitory)?
“Ampahatsiahivo hatrany izy ireo mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.”—Tit. 3:1.
“Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.”—Heb. 13:4.
Inona no andraikitrao eo anivon’ny fianakaviana?
“Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.”—Ohab. 1:8.
“Ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana ... Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana.”—Efes. 5:23, 25.
“Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efes. 6:4.
“Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany.”—Kol. 3:20.
“Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.”—1 Pet. 3:1.
Nahoana isika no tokony hanaja ny aina?
“[Andriamanitra] no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra. ... Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.”—Asa. 17:25, 28.
Nahoana isika no tsy tokony hamono olona, anisan’izany ny zaza any am-bohoka?
“Raha misy olona miady ka mahavoa vehivavy bevohoka, ary ... raha misy maty ... vokatr’izany, dia tsy maintsy manome aina ho solon’ny aina ianao.”—Eks. 21:22, 23.
“Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny, nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.”—Sal. 139:16.
“Halan’i Jehovah ... ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny.”—Ohab. 6:16, 17.
Inona ny didin’Andriamanitra momba ny ra?
“[Fadio] ny ra sy ny biby nokendaina.”—Asa. 15:29.
Nahoana isika no tokony ho tia ny mpiara-manompo amintsika?
“Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:34, 35.
Mba tsy hamindrana aretina mety hahafaty, nahoana ny olona iray voan’ny areti-mifindra no tokony a) tsy hanao fihetsika maneho fitiavana, toy ny hoe mifamihina amin’olona na manoroka? b) tsy ho tezitra rehefa tsy ampandrosoin’ny olona ao an-tranony? d) hanao fitsirihana ra, alohan’ny hiarahany amin’ny olona iray tiany hovadina? e) hiresaka amin’ny anti-panahy mpandrindra alohan’ny hanaovana batisa azy?
“Aoka tsy hisy trosan’olona any aminareo, afa-tsy ny fifankatiavanareo. ... ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana.”—Rom. 13:8-10.
“Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Fil. 2:4.
Nahoana isika no tian’i Jehovah hamela ny heloky ny hafa?
“Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”—Kol. 3:13.
Inona no tokony hataonao raha misy mpiara-manompo manendrikendrika anao na misoloky anao?
“Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia hahatafaverina ny rahalahinao ianao. Raha tsy mihaino kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho marim-pototra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino an’ireo izy, dia miresaha amin’ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon’izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra.”—Mat. 18:15-17.
Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireto fahotana ireto?
▪ Fijangajangana
▪ Fampiasana sary rehefa mivavaka
▪ Firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy
▪ Halatra
▪ Filokana
▪ Fimamoana
“Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”—1 Kor. 6:9, 10.
Anisan’ny fijangajangana ny karazana firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao momba an’izany?
“Andosiro ny fijangajangana.”—1 Kor. 6:18.
Nahoana isika no tsy tokony hampiasa zava-mahadomelina na fanafody mahadomelina tsy avy amin’ny dokotera?
“[Atolory] ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo. Ary aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.”—Rom. 12:1, 2.
Milazà fanao sasany misy ifandraisany amin’ny demonia ary raran’Andriamanitra.
“Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo, na manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty.”—Deot. 18:10, 11.
Raha nanao fahotana lehibe ny olona iray, inona no tokony hataony haingana raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah indray izy?
“Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho ... ary ny fahadisoako tsy mba nosarontsaronako. Hoy aho: ‘Hiaiky ny heloko eo anatrehan’i Jehovah aho.’”—Sal. 32:5.
“Misy marary ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.”—Jak. 5:14, 15.
Inona no tokony hataonao raha misy Kristianina fantatrao hoe nanao fahotana lehibe?
“Raha misy olona manota satria nandre fanozonana ampahibemaso sady vavolombelon’ny fahotana iray, na nahita na nahalala momba izany, nefa tsy niteny, dia hampamoahina noho ny fahadisoany izy.”—Lev. 5:1.
Raha misy fampandrenesana hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony ny olona iray, inona no tokony hataonao?
“[Aza mifanerasera] intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary [aza miara-mihinana] aminy akory.”—1 Kor. 5:11.
“Raha misy tonga eo aminareo, ka tsy mitondra izany fampianarana izany, dia aza mampiantrano azy mihitsy na miarahaba azy akory.”—2 Jaona 10.
Nahoana no hoe izay olona tia an’i Jehovah ihany no tokony hataonao namana akaiky?
“Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohab. 13:20.
“Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Kor. 15:33.
Nahoana no tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah?
“Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy [Jesosy] tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:16.
Nahoana ianao no tokony hankatò ny manam-pahefana?
“Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.”—Rom. 13:1.
Inona no hataonao raha misy lalàn’olombelona mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra?
“Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asa. 5:29.
Inona ny andinin-teny afaka manampy anao ho tapa-kevitra ny tsy ho anisan’ity tontolo ity rehefa mifidy asa?
“Ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo.”—Mika 4:3.
“Mivoaha avy ao aminy [Babylona Lehibe], ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.”—Apok. 18:4.
Inona no karazana fialam-boly hataonao, ary inona no tsy hataonao?
“Tena [halan’i Jehovah] ny olona tia herisetra.”—Sal. 11:5.
“Ankahalao ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.”—Rom. 12:9.
“Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”—Fil. 4:8.
Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manao fivavahana iraisam-pinoana?
“Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo.”—1 Kor. 10:21.
“‘Misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto’, ‘dia handray anareo aho.’”—2 Kor. 6:17.
Inona no toro lalana hanampy anao hanapa-kevitra hoe handray anjara amin’ny fety iray sa tsia?
“Nifangaroharo tamin’ny firenen-kafa kosa izy ireo, ka nianatra ny fanaony. Dia notompoin’izy ireo ny sampin’ireny, ka nanjary fandrika ho azy.”—Sal. 106:35, 36.
“Ny maty ... tsy mahalala na inona na inona.”—Mpito. 9:5.
“Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:16.
“Ampy izay ny fotoana lasa nanaovanareo ny sitrapon’izao tontolo izao, fony ianareo niaina tao anatin’ny fitondran-tena baranahiny, sy ny filan-dratsin’ny nofo, sy ny fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, sy ny fifaninanana misotro, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy araka ny lalàna.”—1 Pet. 4:3.
Nahoana ny tantaran’olona ao amin’ny Baiboly no manampy anao hanapa-kevitra hoe hankalaza aniversera sa tsia?
“Tamin’ny andro fahatelo, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’i Farao. Ary nanao fanasambe ho an’ny mpanompony rehetra izy, ka navoakany teo imason’ny mpanompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ny lehiben’ny mpanao mofo. Koa naveriny tamin’ny toerany ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro. ... Fa nahantony kosa ilay lehiben’ny mpanao mofo.”—Gen. 40:20-22.
“Nony nankalazaina ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Heroda, dia nandihy teo ny zanakavavin’i Herodiasy. Tena nahafaly an’i Heroda izany, ka nianiana izy fa homeny an-drazazavavy izay rehetra angatahiny. Dia hoy razazavavy rehefa avy notoroan-dreniny hevitra: ‘Ento eto amiko eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.’ Ary naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja izy.”—Mat. 14:6-8, 10.
Nahoana ianao no te hankatò ny tari-dalana omen’ny anti-panahy?
“Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.”—Heb. 13:17.
Nahoana no tena ilainao sy ny fianakavianao ny manokana fotoana tsy tapaka mba hamakiana sy hianarana Baiboly?
“Ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina. Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy, dia hazo mamoa amin’ny fotoanany, ary tsy mba malazo ny raviny. Hahomby daholo izay ataony.”—Sal. 1:2, 3.
Nahoana ianao no tia manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’izany?
“Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho. Eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao.”—Sal. 22:22.
“Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.”—Heb. 10:24, 25.
Inona no asa lehibe indrindra nampanaovin’i Jesosy antsika?
“Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Mat. 28:19, 20.
Inona no toe-tsaina mampifaly an’i Jehovah rehefa manao fanomezana ho an’ny asan’ilay Fanjakana isika na manampy an’ireo mpiara-manompo amintsika?
“Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao.”—Ohab. 3:9.
“Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Kor. 9:7.
Inona no zava-tsarotra efa ampoizin’ny Kristianina?
“Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.”—Mat. 5:10-12.
Nahoana no tombontsoa miavaka ny hoe vita batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah?
“Maharavoravo ahy ny teninao sady mahafaly ny foko. Fa antsoina amin’ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!”—Jer. 15:16.