FANONTANIANA HO AN’IREO MANIRY HATAO BATISA
Fizarana 1: Ny Zavatra Inoantsika Kristianina
Nahalala ny fahamarinana ianao rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo antoka fa nahatonga anao hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny zavatra nianaranao. Lasa manantena koa ianao hoe ho lasa paradisa ny tany rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho betsaka ny fitahiana. Vao mainka ianao mino ny Tenin’Andriamanitra, ary mahazo fitahiana be dia be noho ianao miaraka amin’ny fiangonana. Tianao koa ny fomba itondran’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny.—Zak. 8:23.
Miomana ho amin’ny batisa ianao izao, ka tsara raha mamerina mandinika an’ireo zavatra inoantsika Kristianina miaraka amin’ny anti-panahy. (Heb. 6:1-3) I Jehovah anie hitahy foana ny ezaka ataonao mba hahalalanao azy, sady hamaly soa anao araka ny efa nampanantenainy.—Jaona 17:3.
Nahoana ianao no te hatao batisa?
Iza moa i Jehovah?
“I Jehovah no tena Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ary tsy misy afa-tsy izy.”—Deot. 4:39.
“Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Sal. 83:18.
Nahoana no zava-dehibe aminao ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra?
“Mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!’ ”—Mat. 6:9.
“Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”—Rom. 10:13.
Milazà teny vitsivitsy ilazana an’i Jehovah ao amin’ny Baiboly.
“Andriamanitra mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah, ilay Mpamorona ny faran’ny tany.”—Isaia 40:28.
“Rainay izay any an-danitra.”—Mat. 6:9.
“Andriamanitra dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8.
Inona no azonao omena an’i Jehovah Andriamanitra?
“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.”—Mar. 12:30.
“I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”—Lioka 4:8.
Nahoana ianao no tsy te hivadika amin’i Jehovah?
“Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.”—Ohab. 27:11.
Amin’iza ianao no mivavaka, ary ataonao amin’ny anaran’iza?
“Lazaiko [Jesosy] aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany.”—Jaona 16:23.
Inona ny zavatra sasany azonao angatahina amin’ny vavaka?
“Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra! Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’”—Mat. 6:9-13.
“Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14.
Inona no mety hahatonga an’i Jehovah tsy hihaino ny vavaka ataon’ny olona iray?
“Hiantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo amin’izany fotoana izany, nefa tsy hamaly izy ... noho ny ratsy nataon’izy ireo.”—Mika 3:4.
“Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany, fa ny tavan’i Jehovah kosa manohitra ny mpanao ratsy.”—1 Pet. 3:12.
Iza moa i Jesosy Kristy?
“Hoy ny navalin’i Simona Petera: ‘Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.’”—Mat. 16:16.
Nahoana i Jesosy no tonga tetỳ an-tany?
“Tsy tonga mba hotompoina [ny Zanak’olona] fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”—Mat. 20:28.
“Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho [Jesosy], fa izany no nanirahana ahy.”—Lioka 4:43.
Ahoana no ampisehoanao hoe mankasitraka ny sorona nataon’i Jesosy ianao?
“Maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.”—2 Kor. 5:15.
Inona ny fahefana ananan’i Jesosy?
“Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Mat. 28:18.
Izany no “nanandratan’Andriamanitra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra.”—Fil. 2:9.
Mino ve ianao hoe ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah “ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina” notendren’i Jesosy?
“Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?”—Mat. 24:45.
Olona ve ny fanahy masina?
“Fa hoy ilay anjely: ‘Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.’”—Lioka 1:35.
“Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!”—Lioka 11:13.
Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina?
“Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra, ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.”—Sal. 33:6.
“Hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko ... ianareo.”—Asa. 1:8.
“Tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona, satria tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 Pet. 1:20, 21.
Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Dan. 2:44.
Inona ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho anao?
“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apok. 21:4.
Ahoana no ahafantaranao fa efa kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fitahiana ho antsika?
“Nanatona azy mitokana ny mpianany, ka niteny hoe: ‘Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?’ Hoy ny navalin’i Jesosy azy: ‘... Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa. Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.’”—Mat. 24:3, 4, 7, 14.
“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”—2 Tim. 3:1-5.
Ahoana no ampisehoanao hoe zava-dehibe aminao ilay Fanjakana?
“Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.”—Mat. 6:33.
“Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.’”—Mat. 16:24.
Iza moa i Satana sy ny demonia?
“Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo ... Mpamono olona hatrany am-piandohana izy.”—Jaona 8:44.
“Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”—Apok. 12:9.
Inona no niampangan’i Satana an’i Jehovah sy izay rehetra manompo azy?
“Hoy ravehivavy tamin’ilay menarana: ‘Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina: “Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.”’ Dia hoy ny menarana tamin-dravehivavy: ‘Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’”—Gen. 3:2-5.
“Namaly an’i Jehovah i Satana hoe: ‘Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.’”—Joba 2:4.
Ahoana no ampisehoanao hoe diso ny fiampangan’i Satana?
“Manompoa [an’Andriamanitra] amin’ny fo manontolo.”—1 Tan. 28:9.
“Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.”—Joba 27:5.
Nahoana ny olona no maty?
“Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Rom. 5:12.
Manao ahoana ny olona rehefa maty?
“Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”—Mpito. 9:5.
Inona no fanantenana ho an’ireo olona efa maty?
“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asa. 24:15.
Firy ny olona hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra?
“Hitako ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo.”—Apok. 14:1.