Ho An’ny Ray Aman-dreny Kristianina
Azo antoka fa te hanampy ny zanakao ho tia an’i Jehovah sy hanokan-tena ho azy ianao. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ho vonona hatao batisa? Ahoana no ahafantaranao fa vonona amin’izany izy ireo?
Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa.” (Mat. 28:19) Hita amin’io fa tsy maintsy atao mpianatra aloha ny olona iray vao mahafeno fepetra hatao batisa. Tsy hoe mila mahalala sy mino ny fampianaran’i Kristy fotsiny izy, fa mila mampihatra an’izany koa. Na mbola tanora kely aza izy dia efa mahavita an’izany.
Miezaha ho modely ho an’ny zanakao, ary alenteho ao an-tsainy ny fampianaran’i Jehovah. (Deot. 6:6-9) Ampianaro ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly izy, ary ampio hahay hampihatra foana ny toro lalan’ny Baiboly. Azonao ampiasaina amin’izany ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? sy “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.” Ampio ny zanakao mba hahay hanazava ny zavatra inoany amin’ny fomba fiteniny. (1 Pet. 3:15) Ho vonona hatao batisa sy handroso foana izy ireo raha ampianarinao sy ampirisihinao foana. Hanampy azy amin’izany koa ny fianarana samirery, fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, fivoriana, ary fiarahana amin’ny namana tsara. Asaivo manatratra tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo.
Hoy ny Ohabolana 20:11: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.” Ahoana no amantarana hoe lasa mpianatr’i Jesosy Kristy sy vonona hatao batisa ny ankizy iray, na lahy izy na vavy?
Mila mankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy iray te hatao batisa. (Asa. 5:29; Kol. 3:20) Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy tamin’izy 12 taona: “Nankatò [ny ray aman-dreniny] foana izy.” (Lioka 2:51) Marina fa tsy tokony hitaky be loatra amin’ny zanakao ianao, satria tsy lavorary izy. Mila manahaka ny ohatra navelan’i Jesosy anefa ny olona te hatao batisa, ka hankatò ray aman-dreny.
Tokony ho hita amin’ny ataony koa hoe tia mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy. (Lioka 2:46) Tia mandeha mivory sy manome valin-teny ve ny zanakao? (Sal. 122:1) Tia mamaky Baiboly sy mianatra samirery ve izy, ary manao an’izany tsy tapaka?—Mat. 4:4.
Manao loha laharana an’ilay Fanjakana koa ny ankizy te hatao batisa. (Mat. 6:33) Tsapany fa andraikiny ny hoe miresaka ny zavatra inoany amin’ny olona. Manao karazana fanompoana maro àry izy, ary tsy menatra mampahafantatra amin’ny mpampianatra azy sy ny mpiara-mianatra aminy hoe Vavolombelon’i Jehovah izy. Ataony tsara koa ny anjarany amin’ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana.
Miezaka ny hadio fitondran-tena foana izy ka tsy miaraka amin’ny naman-dratsy. (Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33) Hita amin’ny safidy ataony izany, ohatra hoe eo amin’ny resaka mozika, filma, fandaharana amin’ny tele, lalao video, ary fampiasana Internet.
Ankizy maro no lasa tia fahamarinana ka natao batisa, rehefa niezaka nanampy azy foana ny ray aman-dreniny. Enga anie ka hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao mba hanampiana ny zanakao hanatratra an’io tanjona lehibe io.
Ho An’ny Mpitory Tsy Vita Batisa
Tombontsoa be izany hoe mitory miaraka amin’ny fiangonana izany, na dia mbola tsy vita batisa aza. Deraina ianao fa tena niezaka nandroso teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Efa mahalala an’Andriamanitra ianao satria nianatra ny Teniny, ary mino ny fampanantenany.—Jaona 17:3; Heb. 11:6.
Mety ho efa nanana ny fivavahanao ianao talohan’ny nianaranao Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety ho tsy nanana fivavahana mihitsy koa anefa ianao tamin’izany. Nanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly koa angamba ianao. Manam-pinoana anefa ianao izao ka nibebaka, izany hoe nanenina mafy tamin’ny zavatra tsy nety nataonao. Niova koa ianao, izany hoe tsy nanao an’ilay zava-dratsy fanaonao taloha intsony, ary tapa-kevitra ny hanao ny tsara eo imason’Andriamanitra.—Asa. 3:19.
Mety hoe “mbola zazakely” koa anefa ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina. (2 Tim. 3:15) Niaro anao tamin’ireo zava-dratsy tsy mety amin’ny Kristianina izany. Lasa mahay manohitra ny fitaoman’ny namana sy ny fakam-panahy hafa ianao. Mampiseho ny finoanao ianao, ka manohana ny fivavahana marina sy miresaka ny zavatra inoanao amin’ny hafa. Efa niofana teny amin’ny fanompoana koa ianao, ary nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ka lasa mpitory tsy vita batisa.
Na efa hatramin’ny mbola kely anefa ianao no nahalala ny fahamarinana na tatỳ aoriana, dia misy dingana roa lehibe indray izao mety hoeritreretinao hatao, dia ny hanokan-tena ho an’i Jehovah sy ny hatao batisa. Manokan-tena ho an’i Jehovah ianao, rehefa mivavaka aminy hoe tapa-kevitra ny hanompo azy irery mandrakizay. (Mat. 16:24) Atao batisa ao anaty rano ianao, mba hampisehoanao an’izany fanokanan-tenanao izany. (Mat. 28:19, 20) Lasa anisan’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ianao, rehefa avy nanokan-tena sy vita batisa. Tombontsoa tsy manam-paharoa izany!
Efa hitanao tamin’ianao nianatra Baiboly fa mety hiatrika olana maro isan-karazany ianao. Tadidio fa “nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra i Jesosy” taoriana kelin’ny batisany, “ka nalain’ny Devoly fanahy.” (Mat. 4:1) Mety mbola hiatrika fitsapana maro koa ianao rehefa vita batisa. (Jaona 15:20) Isan-karazany izy ireny. Mety henjehin’ny fianakaviana, ohatra, ianao. (Mat. 10:36) Mety hesoin’ny mpiara-mianatra, na mpiara-miasa, na ny namanao taloha. Tadidio foana anefa ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 10:29, 30 hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy misy olona efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na reny na ray na zanaka na saha noho ny amiko sy ny vaovao tsara ka tsy hahazo avo zato heny amin’izao andro izao, eny, hahazo trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha mbamin’ny fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.” Miezaha foana àry hifandray akaiky amin’i Jehovah sy hanaraka ny fitsipiny.
Miresaha amin’ny anti-panahy mpandrindra rehefa te hatao batisa ianao. Misy fanontaniana maromaro aorian’ity fanazavana ity, ary natao hodinihin’ny anti-panahy miaraka aminao izany mba hahitana raha mahafeno fepetra hatao batisa ianao na tsia. Efa azonao dinihina ireo fanontaniana ireo isaky ny mianatra samirery ianao.
Makà fotoana tsara mba hamakiana sy hisaintsainana an’ireo andinin-teny voasoratra. Afaka manao fanamarihana ao amin’ity boky ity ianao, na amin’ny zavatra hafa. Azonao ampiasaina ilay fanamarihana nataonao rehefa mandinika an’ireo fanontaniana ireo miaraka amin’ny anti-panahy ianao. Azonao sokafana mihitsy koa ity boky ity amin’izay. Anontanio ny mpampianatra Baiboly anao, na ny anti-panahy, raha misy fanontaniana tsy azonao.
Tsy voatery hanome valiny lava be sy sarotra be ianao rehefa miara-mandinika an’ireo fanontaniana ireo amin’ny anti-panahy. Valiny tsotra sy mivantana amin’ny fomba fiteninao no tena tsara. Tena tsara koa raha manome andinin-teny iray na roa ianao amin’ny ankamaroan’ireo fanontaniana, mba hanohananao ny valin-teninao.
Ahoana raha mbola tsy ampy ny fahalalanao? Raha izany dia hitady fomba hanampiana anao ny anti-panahy mba hahaizanao manazava andinin-teny amin’ny fomba fiteninao, ka hahatonga anao hahafeno fepetra ho amin’ny batisa any aoriandriana any.
[Ho an’ny anti-panahy: Misy toromarika momba ny fanaovana ny fanontaniana ho an’ireo hatao batisa, eo amin’ny pejy 54-59.]