Dinidinika Farany Miaraka Amin’ireo Hatao Batisa
Matetika no misy batisa amin’ny fivoriamben’ny faritra na vondrom-paritra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa hifarana ny lahatenin’ny batisa, dia asain’ilay mpandahateny hitsangana ireo hatao batisa, ka asainy hamaly mafy an’ireto fanontaniana roa ireto:
1. Efa nibebaka tamin’ireo fahotanao sy nanokan-tena ho an’i Jehovah ve ianao, ary mampiseho fa ekenao ny famonjeny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy?
2. Mazava aminao ve fa rehefa atao batisa ianao, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah sady lasa anisan’ny fandaminany?
Rehefa mamaly hoe “Eny” ireo hatao batisa, dia ‘manambara ampahibemaso’ fa mino ny vidim-panavotana izy sady nanokan-tena tanteraka ho an’i Jehovah. (Rom. 10:9, 10) Mila mivavaka sy misaintsaina mialoha an’ireo fanontaniana ireo izy, mba ho resy lahatra tsara rehefa hamaly an’ireo.
Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka ve ianao, ka nampanantena hoe izy irery ihany no hotompoinao ary ny sitrapony no ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao?
Tena resy lahatra ve ianao hoe tokony hatao batisa raha vao misy hirika hanaovana an’izany?
Hoatran’ny ahoana ny fitafiana mety rehefa hatao batisa? (1 Tim. 2:9, 10; Jaona 15:19; Fil. 1:10)
Tokony hiakanjo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” isika mba ho hita hoe “mpivavaka amin’Andriamanitra.” Hoatran’ny ahoana àry ny akanjo tokony hanaovan’izay hatao batisa? Tsy tokony hanao akanjo fitondra milomano tsy maotina na misy teny faneva na dokam-barotra izy ireo. Tokony hanao akanjo madio sy milamina, voafidy tsara, ary mifanentana amin’ilay fotoan-dehibe izy ireo.
Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa vita batisa? (Lioka 3:21, 22)
Modely ho an’ny Kristianina ny batisan’i Jesosy. Fantany fa dingana lehibe ny batisa ka nasehony tamin’ny fihetsiny izany. Tsy toerana fisangisangiana, na filalaovana, na filomanosana àry ilay toerana anaovana batisa. Tsy tokony hanao zavatra mety hanamaivan-danja an’ilay fotoana isika. Tsy hisehoseho be koa ilay olona vao vita batisa ka hoatran’ny hoe nahazo fandresena lehibe. Marina fa fotoana mahafaly io andro io, nefa tokony hahay handanjalanja ihany isika.
Mila mivory tsy tapaka sy miaraka amin’ny fiangonana ianao. Nahoana izany no hanampy anao hanefa an’ilay voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah?
Nahoana ianao no mbola tokony hianatra samirery sy hanompo tsy tapaka foana aorian’ny batisanao?
TOROMARIKA HO AN’NY ANTI-PANAHY
Misy “Fanontaniana ho An’ireo Maniry Hatao Batisa”, ao amin’ny pejy 12-49 amin’ity bokikely ity. Tokony hasaina handinika tsara azy io ny mpitory iray tsy vita batisa, raha milaza izy hoe te hatao batisa. Tokony hasaina hodinihiny koa ilay hoe “Ho An’ny Mpitory Tsy Vita Batisa”, manomboka eo amin’ny pejy 7. Hanampy azy hanomana an’ilay dinidinika iarahana amin’ny anti-panahy mantsy izy io. Resahina ao fa afaka mitondra ny fanamarihana nataony manokana ireo hatao batisa, ary afaka manokatra an’ity boky ity mandritra an’ilay dinidinika. Tsy ilaina anefa ny handinihana an’ireo fanontaniana ireo miaraka amin’ny olon-kafa alohan’ilay dinidinika miaraka amin’ny anti-panahy.
Tokony hiresaka amin’ny anti-panahy mpandrindra izay mpitory te hatao batisa. Rehefa voavakiny ny “Fanontaniana ho An’ireo Maniry Hatao Batisa”, dia hanontany azy ny anti-panahy mpandrindra raha efa nanokan-tena tamin’ny alalan’ny vavaka izy hoe hanao ny sitrapon’i Jehovah. Raha efa nanokan-tena izy dia hisy anti-panahy roa asain’ilay anti-panahy mpandrindra handinika an’ireo fanontaniana miaraka amin’ilay mpitory. Anti-panahy samy hafa no tokony hanao ny fizarana tsirairay. Tsy hoe rehefa hisy fivoriambe ihany vao azo atao ilay dinidinika.
Azo zaraina adiny iray avy, amin’ny fotoana samy hafa, ireo fizarana roa. Tsy maninona koa anefa na mihoatra ny adiny iray aza ilay izy vao vita. Tokony hatomboka sy faranana amin’ny vavaka ilay izy. Tsy tokony hovitaina maimaika fotsiny ireo fanontaniana. Tsy tokony hangataka andro koa ireo anti-panahy voatendry hanao an’ilay dinidinika, fa hanao azy io ho laharam-pahamehana.
Tsara raha alefa tsirairay ireo hatao batisa, rehefa handinika an’ireo fanontaniana, fa tsy ampiarahina. Amin’ilay izy mamaly ny fanontaniana tsirairay iny mantsy no ahitan’ilay anti-panahy raha tena mahatakatra ny fahamarinana izy na tsia. Hitany koa amin’izay raha tena vonona hatao batisa tokoa izy. Raha ilay hatao batisa irery koa no eo, dia mety ho sahy hiresaka kokoa izy. Azo ampiarahina anefa ny mpivady.
Tokony hatao amin’ny toerana talaky maso ilay fiaraha-midinika, raha anabavy ilay maniry hatao batisa. Tsy tokony hatao ren’olon-kafa anefa ilay izy. Afaka miaraka amin’ny anti-panahy hafa na mpanampy amin’ny fanompoana ilay rahalahy mitarika an’ilay fiaraha-midinika, raha ilaina izany. Miankina amin’ilay fizarana dinihina koa anefa izany, araka ny resahin’ny fehintsoratra manaraka.
Afaka manao an’ilay fiaraha-midinika miaraka amin’ireo maniry hatao batisa ny mpanampy amin’ny fanompoana hita hoe mahay manavaka sy mahay mitsara zavatra, raha tena vitsy ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Ilay Fizarana 1 hoe “Ny Zavatra Inoantsika Kristianina” ihany anefa no azony atao. Tsy maintsy anti-panahy kosa no manao an’ilay Fizarana 2 hoe “Ny Fiainantsika Kristianina.” Raha tsy ampy ny rahalahy mahafeno fepetra ao amin’ilay fiangonana, dia azo anontaniana ny mpiandraikitra ny faritra sao afaka manampy azy ireo ny fiangonana eny akaiky.
Ahoana raha tsy ampy taona ilay mpitory te hatao batisa? Tokony hanatrika an’ilay fiaraha-midinika ny ray aman-dreniny Vavolombelona na ny iray amin’izy ireo. Raha tsy afaka izy ireo na ny iray aminy, dia tokony ho anti-panahy roa (na anti-panahy iray sy mpanampy amin’ny fanompoana iray, miankina amin’ilay fizarana hodinihina) no hanao ny fiaraha-midinika tsirairay.
Hojeren’ireo anti-panahy raha mahatakatra an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ireo maniry hatao batisa. Tokony hanana fahalalana araka ny antonony izy. Hofantariny tsara koa raha tena tia fahamarinana ilay mpitory, ary manaja tsara ny fandaminan’i Jehovah. Raha hita hoe tsy mahatakatra ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly izy, dia hanao fandaharana hanampiana azy ny anti-panahy. Amin’izay izy mahafeno fepetra hatao batisa any aoriana. Angamba ny mpitory sasany mila fotoana bebe kokoa mba hampisehoana hoe manaiky ny fandaharana eo anivon’ny fandaminana izy, na koa hoe tia manompo. Anjaran’ny anti-panahy ny mitsinjara ny fotoana lanina amin’ny fizarana tsirairay, mba hahitana raha vonona hatao batisa tokoa ilay olona na tsia. Tokony hatao daholo ny fanontaniana rehetra, na dia mety handany fotoana kokoa aza ny fanontaniana sasany.
Hihaona ireo anti-panahy nanao an’ireo fiaraha-midinika, rehefa tapitra ny fizarana faharoa. Amin’io izy ireo no manapaka raha azo ekena hatao batisa ilay olona na tsia. Hodinihin’izy ireo ny mombamomba ny olona tsirairay, ny fahaizany, ary ny zavatra hafa mahakasika azy, ka arakarak’izay ny fanapahan-keviny. Hojereny raha lasa tena tia an’i Jehovah ilay olona sady mahatakatra ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Raha manampy azy amim-pitiavana ianareo, dia ho vonona hamita tsara ny andraikiny hitory ny vaovao tsara izy.
Hihaona amin’ilay mpitory ny iray na ny roa amin’ireo anti-panahy, aorian’izay, mba hilaza aminy raha mahafeno fepetra hatao batisa izy na tsia. Raha mahafeno fepetra izy, dia hodinihin’ny anti-panahy miaraka aminy ilay hoe “Dinidinika Farany Miaraka Amin’ireo Hatao Batisa”, eo amin’ny pejy 51-53. Hampirisihin’ny anti-panahy izy mba hamita ny boky Ianarana sy “Fitiavan’Andriamanitra”, aorian’ny batisany, raha mbola tsy nahavita an’ireo. Ilazao ilay mpitory hoe hampidirina ao amin’ilay Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Fiangonana amin’ny anarany ny datin’ny batisany. Ampahatsiahivo azy hoe maka an’ireny fanazavana manokana ireny any amin’ilay mpitory ny anti-panahy, amin’izay ny fandaminana afaka mikarakara tsara ny asa ara-pivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Amin’izay koa ilay mpitory afaka mandray anjara amin’ny asa hafa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah sady afaka mahazo an’izay fampaherezana ilainy. Hita ao amin’ny jw.org ilay hoe Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omenao. Azon’ny anti-panahy ampahatsiahivina ireo mpitory vaovao hoe atao mifanaraka amin’io Fanekena io ny fomba hampiasana an’izay fanazavana momba azy. Eo amin’ny folo minitra na latsaka no tokony hanaovana an’ity fiaraha-midinika ity.
Hihaona amin’ilay mpitory indray ny anti-panahy roa, herintaona aorian’ny batisany, mba hampahery azy sady hanome torohevitra mahasoa. Tokony ho ny mpiandraikitra ny andia-mpitory misy an’ilay mpitory ny iray amin’ireo anti-panahy ireo. Raha tsy ampy taona ilay mpitory, dia tokony hanatrika eo koa ny ray aman-dreniny Vavolombelona na ny iray amin’izy ireo. Tsara raha atao amim-pitiavana sy mampahery ilay dinidinika. Hiresaka ny fandrosoana vitan’ilay mpitory ireo anti-panahy. Homeny torohevitra koa izy, mba hanohy hanao fianarana samirery tsy tapaka, hamaky Baiboly isan’andro, hanao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana isan-kerinandro, hazoto hivory sy handray anjara amin’izany, ary hanompo isan-kerinandro. (Efes. 5:15, 16) Hanendry olona hanampy azy ny anti-panahy, raha mbola tsy nahavita ny boky Ianarana sy “Fitiavan’Andriamanitra” izy. Tsy tokony hitsitsy teny fiderana ny anti-panahy. Torohevitra amin’ny lafin-javatra iray na roa dia efa ampy, amin’ny ankapobeny.