Fampidirana ny Fizarana 6
Tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany ny Israelita, ary ny tranolay masina no toerana nivavahany tamin’i Jehovah. Nampianatra ny Lalàna ny mpisorona, ary mpitsara no mpitondra. Ho hita ato amin’ity fizarana ity fa mety hisy vokany be amin’ny olon-kafa ny safidin’ny olona iray sy izay ataony. Nila tsy nivadika tamin’i Jehovah sy tamin’ny namany mantsy ny Israelita tsirairay. Modely tsara, ohatra, i Debora, Naomy, Josoa, Hana, Samoela, ary ny zanakavavin’i Jefta. Nisy olona tsy Israelita aza nifidy ny hiaraka tamin’ny Israelita, satria fantany hoe nanampy an-dry zareo Andriamanitra. Anisan’ireny i Rahaba, Rota, Jaela, ary ny Gibeonita.