FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb 33
  • Rota sy Naomy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rota sy Naomy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Rota: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Aza Avela Hiova Mihitsy ny Fitiavanao ny Mpiara-manompo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb 33
Naomi tells Ruth to go home

LESONA 33

Rota sy Naomy

Nisy mosary tany Israely tatỳ aoriana. Nifindra tany Moaba àry ny fianakaviana anankiray, dia i Naomy sy ny vadiny ary ny zanany roa lahy. Maty ny vadin’i Naomy tatỳ aoriana. Nanambady an’i Rota sy Orpa, vehivavy moabita, ny zanany lahy. Maty koa anefa izy roa lahy.

Niverina nody tany Israely i Naomy, rehefa fantany hoe tsy nisy mosary intsony tany. Niaraka taminy koa i Rota sy Orpa. Hoy i Naomy: ‘Tsara fanahy be tamiko sy tamin’ny zanako lahy ianareo roa vavy. Ianareo anefa mbola tokony hanambady. Tsy aleonareo ve mody any Moaba?’ Dia hoy izy roa vavy: ‘Ianao ange tianay be e! Izahay tsy handeha hody izany.’ Notenenin’i Naomy foana anefa ry zareo, dia farany nody i Orpa. Hoy i Naomy tamin’i Rota: ‘Iny izao i Orpa fa lasa nody any aminareo, sy any amin’ny andriamanitrareo. Mandehana ho’aho mody.’ Dia hoy i Rota: ‘Efa hoe izaho hiaraka aminao foana, dia hiaraka amin’ny olona any aminareo, dia hivavaka amin’ny Andriamanitrareo.’ Faly be izao i Naomy e?

Tonga tany Israely i Rota sy Naomy, rehefa nanomboka nijinja vary orza ny olona tany. Lasa koa i Rota nanangona vary orza sendra tavela teny an-tsaha. Teny amin’ny sahan’i Boaza, zanak’i Rahaba, izy indray andro. Fantatr’i Boaza hoe vehivavy moabita i Rota, sady tia be an’i Naomy. Noteneniny àry ny mpiasany mba hamela vary hangonin’i Rota.

Ruth gathers grain in Boaz’ field

Hoy i Naomy, rehefa nody i Rota ny harivan’iny: ‘Fa taiza ianao no niasa androany?’ Dia hoy i Rota: ‘Teny amin’ny sahan’i Boaza.’ Hoy i Naomy: ‘Hay! Havan’ny vadiko iny. Aza miala eny amin’ny sahany, amin’izay ianao tsisy manadala.’

Naomi with Boaz, Ruth, and Obed

Niasa teo amin’ny sahan’i Boaza foana i Rota, mandra-pahatapitry ny fijinjana. Hitan’i Boaza hoe nazoto niasa izy sady tena tsara toetra. Tamin’izany, raha maty ny lehilahy iray nefa tsy manan-janakalahy, dia ny havany ihany no manambady an’ilay vadiny. Nanambady an’i Rota àry i Boaza. Niteraka lahikely ry zareo, dia i Obeda, izay lasa dadaben’i Davida Mpanjaka. Faly be ny naman’i Naomy tamin’izay. Hoy ry zareo: ‘Nomen’i Jehovah an’i Rota ianao, ary tena nikarakara anao i Rota. Izao indray ianao nahazo zafikely. Tena tsara fanahy i Jehovah e?’

‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy aza.’—Ohabolana 18:24

Fanontaniana: Ahoana no ahitana hoe tia be an’i Naomy i Rota? Inona no nataon’i Jehovah tamin’i Rota sy Naomy?

Rota 1:1–4:22; Matio 1:5

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara