HIRA 71
Tafik’i Jehovah Isika!
1. Ny tafik’i Jehovah
Dia mafana fo.
’Ndreny izy ireo miara-dia,
Kristy no eo aloha.
Tsy manaiky ho resin’ny
Tetik’i Satana;
Sahy manohy mitory
Ilay Fanjakana.
(FIVERENANA)
Ny tafik’i Jehovah
Dia mandroso hatrany,
Faly manambara
Ilay Fanjakany.
2. Tadiavintsika foana
Raha misy ondry very,
’Zay ory sy mijaly
Na koa hoe manirery.
Dia karohy ’zay mendrika
Eny am-pitoriana.
Asao izy ’reny
Ho any am-pivoriana.
(FIVERENANA)
Ny tafik’i Jehovah
Dia mandroso hatrany,
Faly manambara
Ilay Fanjakany.
3. ’Sika tsy maintsy handresy
N’inona hianjady,
Fa ef’ireo ’zay ilaina
Hamitana ilay ady.
Hisy zava-tsarotra
Nef’aza manahy.
Aleo foana mailo,
Tsy mivadika.
(FIVERENANA)
Ny tafik’i Jehovah
Dia mandroso hatrany,
Faly manambara
Ilay Fanjakany.