1. Iza Marina Andriamanitra?
1 IZA MARINA ANDRIAMANITRA?
“Namorona ny zava-drehetra ianao.”—Apokalypsy 4:11
Inona no lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra?
-
Izy no Mahery Indrindra eo amin’izao rehetra izao.
-
Efa nisy foana izy hatramin’izay.
-
Izy no Raintsika.
Tiany ho sambatra isika.
-
Te ho namantsika izy.
2 MANANA ANARANA ANDRIAMANITRA
‘Jehovah no anarako’ mandrakizay.—Eksodosy 3:15
Nahoana isika no tena mila mampiasa ny anaran’Andriamanitra?
-
Tenenin’Andriamanitra amintsika hoe Jehovah no anarany. Tsy tena anarany ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo.” Tian’i Jehovah hampiasa ny anarany isika.
-
Ny hoe Jehovah dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Afaka manatanteraka an’izay nampanantenainy sy izay tiany hatao izy, satria izy no namorona ny zava-drehetra.
3 TIA ANTSIKA I JEHOVAH
“Andriamanitra dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8
Inona no dikan’izany?
-
Mamindra fo sy tsara fanahy izy, ary tia fahamarinana sy rariny.
-
Mamela heloka izy.
-
Manam-paharetana amintsika izy.
-
Tsy mivadika amintsika izy.
4 TE HANAMPY ANAO ANDRIAMANITRA
“Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7
Ahoana no ahafantaranao hoe tena te hanampy anao Andriamanitra?
-
Mampanantena izy fa hanafoana ny fijaliana sy hanarina ny tsy mety nataon’ny ratsy fanahy.
-
Tian’i Jehovah ho namany ianao
-
Vao mainka ianao ho tia an’Andriamanitra rehefa mianatra momba azy foana.