2. Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly
1 AVY AMIN’ANDRIAMANITRA NY BAIBOLY
“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” —2 Timoty 3:16
Nahoana no miavaka ny Baiboly?
Misy amin’ny fiteny 2 600 eo ho eo ny Baiboly, ary an’arivony tapitrisa no natao pirinty.
Milaza zavatra tsy hitantsika na aiza na aiza izy io.
-
Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.
-
Notarihin’Andriamanitra hanoratra ny heviny ny lehilahy maromaro.
2 MISY FAMINANIANA AO AMIN’NY BAIBOLY
‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’—Titosy 1:2
Nahoana ny Baiboly no azo antoka hoe marina?
-
Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe ahoana no haharesy an’i Babylona, dia tanteraka izany.
-
Amin’izao no tanteraka ny faminanian’ny Baiboly.
-
Azo antoka fa ho tanteraka izay lazain’ny Baiboly hoe hitranga any aoriana any.
3 NATAO HANAMPIANA ANAO NY BAIBOLY
“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17
Inona no nianaranao momba ny Baiboly?
-
Misy zavatra lazain’ny Baiboly tsy fantatry ny olona raha tsy ela be tatỳ aoriana.
-
Tsy nandainga ireo nanoratra ny Baiboly.
-
Nanome torohevitra antsika i Jesosy hoe ahoana no atao rehefa hivavaka, inona no atao raha te ho sambatra na te hifandray tsara amin’ny olona, ary inona no atao mba tsy ho tia vola loatra.
4 AFAKA MANOVA ANAO NY BAIBOLY
“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” —Hebreo 4:12
Inona no ho fantatrao rehefa mianatra Baiboly?
Hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra ianao.
Ho fantatrao tsara ny tenanao.
Ho hainao hoe inona no tian’Andriamanitra hataonao.
Tian’Andriamanitra hamaky sy hianatra ary ho tia ny Baiboly ianao.