3. Inona no Tian’Andriamanitra Hatao ho An’ny Olombelona?
1 MISY ANTONY MATOA ISIKA NOFORONIN’ANDRIAMANITRA
“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29
Inona no tian’i Jehovah hatao rehefa namorona ny olona?
-
Tiany hiteraka ny olona ka hanova ny tany ho paradisa sy hikarakara ny biby.
-
Tsy maintsy tanterahin’Andriamanitra ny fikasany ary tsy hisy hahasakana azy.
2 NAHOANA NO MIHARATSY NY FIAINANA?
‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona 5:19
Iza no mitondra an’izao tontolo izao?
-
Mpitondra an’izao tontolo izao i Satana, hoy i Jesosy.
-
Te hivavahana i Satana nefa i Jehovah ihany no mendrika an’izany.
-
Namitaka an’i Eva i Satana. Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva ka maty.
-
Mpanota daholo isika taranak’i Adama ka maty.
-
Mamitaka ny olona i Satana.
3 MILA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ISIKA
“Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao!”—Matio 6:10
Inona no hataon’i Jehovah?
-
Ny Fanjakan’Andriamanitra irery no hitondra ny tany.
-
Horavan’Andriamanitra ity tontolo ratsy ity amin’ny Hara-magedona.
-
Nifidy an’i Jesosy ho Mpanjakan’ilay Fanjakany i Jehovah. Hanjaka eran-tany izy.
4 HANOVA NY TANY HO PARADISA ILAY FANJAKANA
‘Manokatra ny tananao ianao, ka afa-po ny zavamananaina rehetra.’—Salamo 145:16
Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
-
Tsy hisy intsony ny ady sy ny olon-dratsy ary ny herisetra.
-
Samy hanana trano sy zaridaina tsara tarehy ny olona, ary tsy hatahotra intsony.
-
Ho be dia be ny sakafo.
-
Tsy hasiaka ny biby.
Isaia 33:24; Asan’ny Apostoly 24:15
Tsy hisy olona harary, ary ho velona indray ny maty.