8. Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
1 TENA MISY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
“Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Matio 6:9-13
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
-
Fanjakana any an-danitra izy io ary hanjaka amin’ny tany.
-
I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
-
Hisy olona 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra.
-
Fantatr’i Jesosy sy ireo 144 000 ny zavatra tsapantsika sy ny olana mahazo antsika.
2 I JESOSY NO MPANJAKA TSARA INDRINDRA
“Araka ny rariny no hitsarany ny mahantra.” —Isaia 11:4
Nahoana no tena mety raha i Jesosy no Mpanjaka?
-
Ny mpitondra olombelona rehetra mbola maty ihany fa i Jesosy tsy ho faty mihitsy. Haharitra mandrakizay ny zavatra hataony ho antsika.
-
Mahavita zavatra betsaka sy tsara lavitra noho izay vitan’ny mpitondra olombelona izy, sady mahery lavitra noho izy rehetra mitambatra. Manao ny rariny sy mangoraka izy.
3 HANATANTERAKA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA ILAY FANJAKANA
“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra.”—Daniela 2:44
Inona no efa nataon’ilay Fanjakana? Inona no mbola hataony?
-
Nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra sy nanipy azy tetỳ an-tany i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka, tamin’ny 1914. Izany no mampikorontana ny fiainana sy mampijaly ny olona eto an-tany.
Mpitoriteny 8:9; Apokalypsy 16:16
Horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny fitondran’olombelona amin’ny Hara-magedona, satria tsy manao ny marina sady mampijaly olona.
-
Horinganina izay zatra manao ratsy.
-
Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah daholo ny olona, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy olona harary sy ho faty intsony koa.