7. Tena Hatsangana ny Maty!
1 HOFOANAN’I JEHOVAH NY FAHAFATESANA
“Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26
Nahoana no mampahery antsika ny Baiboly rehefa misy maty?
-
Kivy be isika rehefa maty ny havantsika na ny namantsika. Mampahery anefa izay lazain’ny Baiboly.
-
Vitan’i Jehovah ny manafoana ny fahafatesana. Hatsangany mihitsy aza ny maty.
2 MATOKIA FA HITSANGANA NY MATY
“Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!” —Marka 5:41
Nahoana no azo antoka hoe hitsangana ny maty?
-
Natsangan’i Jesosy i Lazarosy.
-
Natsangan’i Jesosy ny ankizivavikely iray.
-
Hery avy amin’i Jehovah no nananganan’i Jesosy ny maty.
-
Be dia be no nahita an’i Jesosy nanangana olona tamin’ny maty. Ny olona tsy tia azy aza niaiky hoe vitany izany.
3 AN’ARIVONY TAPITRISA NO HATSANGAN’I JEHOVAH
“Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Joba 14:13-15
Iza no hatsangana amin’ny maty?
-
Be dia be ny olona hatsangan’i Jehovah amin’ny maty.
-
Hatsangana ny marina sy ny tsy marina.
-
Tadidin’i Jehovah daholo ny anaran’ny kintana. Tadidiny koa àry ny mombamomba an’ireo olona hatsangany amin’ny maty.
4 MISY HATSANGANA HO ANY AN-DANITRA
“Handeha hanomana toerana ho anareo aho.”—Jaona 14:2
Iza no hatsangana ho any an-danitra?
-
I Jesosy no natsangana ho any an-danitra voalohany.
-
Nilaza i Jesosy fa mpianany vitsivitsy ihany no hatsangana ho any an-danitra.
-
Nifidy olona 144 000 i Jehovah mba hipetraka any an-danitra.