6. Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?
1 TSY MISY INTSONY NY OLONA REHEFA MATY
‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’—Mpitoriteny 9:5
Manao ahoana isika rehefa maty?
Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:6, 10
Tsy mahita na maheno na mieritreritra ny maty.
-
Nampitovin’i Jesosy tamin’ny olona matory ny maty.
2 TSY TIAN’I JEHOVAH HO FATY MIHITSY NY OLONA
‘Aza ihinananao ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’—Genesisy 2:17
Nahoana isika no maty?
-
Nandainga i Satana hoe tsy ho faty i Adama sy Eva raha tsy mankatò an’i Jehovah. Maty anefa izy mivady rehefa nanota, izany hoe tsy nankatò.
-
Tsy nisy intsony i Adama rehefa maty.
-
Hoatran’ny hoe aretina ratsy be nafindran’i Adama sy Eva tamintsika ny ota. Vao teraka isika dia efa mpanota ka tsy maintsy ho faty.
-
Milaza ny Baiboly fa fahavalo ny fahafatesana.
3 SAMBATRA ISIKA MAHALALA NY MARINA MOMBA NY MATY
‘Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? Hiandry aho mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.’—Joba 14:14
Nahoana no mahasoa antsika ny mahalala ny marina momba ny maty?
-
Tsy handoro olona any amin’ny afobe mihitsy i Jehovah. Manala baraka azy izay miteny an’izany.
-
Be dia be no matahotra ny maty, ka ny maty indray no hajainy sy ivavahany fa tsy i Jehovah. I Jehovah ihany anefa no tokony hivavahana satria izy no tena Andriamanitra.