12. Afaka ny ho Naman’Andriamanitra Ianao
1 MANKATÒ AN’I JEHOVAH NY NAMANY
“Ankatoavy ny teniko, dia ho Andriamanitrareo aho, ary ianareo ho oloko.”—Jeremia 7:23
Afaka ny ho naman’i Jehovah ve ianao?
-
Lasa naman’i Jehovah i Abrahama satria nihaino azy sy nino azy.
-
Ampian’i Jehovah izay mankatò azy.
-
Manoro hevitra ny namany i Jehovah.
-
Arovan’i Jehovah ny namany.
2 NAMAN’I JEHOVAH I JOBA ARY TSY NIVADIKA TAMINY
“Tsy nanota i Joba tamin’izany rehetra izany, sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy.”—Joba 1:22
Inona no nataon’i Satana tamin’i Joba, ary ahoana no nataon’i Joba?
-
Nolazain’i Satana hoe tia tena i Joba fa tsy tia an’i Jehovah.
-
Navelan’i Jehovah halain’i Satana daholo ny fananan’i Joba. Nataon’i Satana narary mafy mihitsy aza i Joba.
-
Tsy hain’i Joba hoe nahoana izy no nijaly, nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy.
3 TIAN’I SATANA HIALA AMIN’I JEHOVAH IANAO
“Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.”—Joba 2:4
Inona no ataon’i Satana mba hampiala antsika amin’i Jehovah?
-
Mamitaka antsika i Satana mba tsy hankatò an’i Jehovah isika.
-
Ataony izay hieritreretantsika hoe tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah isika.
-
Manohitra antsika i Satana.
-
Ankatoavy i Jehovah, ary aza mivadika aminy mihitsy, dia ho voaporofo hoe mpandainga i Satana.
4 MANKATÒ AN’I JEHOVAH ISIKA SATRIA TIA AZY
“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3
Ahoana no hatao raha te ho naman’i Jehovah?
-
Asehoy hoe tia azy ianao. Hanampy anao hankatò azy izany.
-
Ankatoavy i Jehovah, dia handray soa foana ianao.
-
Matokia fa tsy hasain’i Jehovah hanao zavatra tsy ho vitanao mihitsy ianao.
-
Manaova ny tsara, dia hampian’i Jehovah ianao.