13. Hajao ny Aina
1 HAJAO NY AINA
“Ianao no loharanon’aina.”—Salamo 36:9
Inona no hataontsika raha manaja ny aina isika?
Asan’ny Apostoly 17:28; Apokalypsy 4:11
Fanomezana avy amin’i Jehovah ny aina ka tokony hohajaina.
Eksodosy 21:22, 23; Deoteronomia 5:17
Aza mamono olona na manala zaza.
-
Aza mankahala olona.
-
Aza mifoka sigara sy rongony na mihinam-paraky.
-
Aza manao fialam-boly sy fanatanjahan-tena mahery setra.
2 NY AINA SY NY RA
“Ny ain’ny karaza-nofo rehetra dia ny rany, satria ao amin’ny ra ny aina.”—Levitikosy 17:14
Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny aina sy ny ra?
Genesisy 4:10; Deoteronomia 12:23
Aina ny ra.
-
Mahazo mihinana hena isika fa tsy mahazo mihinana ra.
Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 21:25
Tsy hanaiky fampidiran-dra isika raha mankatò an’ilay didin’Andriamanitra hoe mila mifady ny ra.
-
Ny mifandray amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika.
3 INONA NO AZO NAMPIASANA NY RA?
“Ny ran’i Jesosy ... no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.”—1 Jaona 1:7
Inona no mety ho azontsika noho ny soron’i Jesosy?
-
Afaka nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah ny Israelita rehefa nanota. Nanao sorona biby izy ireo, ary nafafin’ny mpisorona teo amin’ny alitaran’ny tempoly ny ran’ilay izy.
-
Nanao sorona ny ainy i Jesosy tetỳ an-tany mba ho voavela ny fahotantsika, ka tsy nilaina intsony ny manao sorona biby.
-
Sarobidy be mihitsy ny ain’i Jesosy ka lasa afaka manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra i Jehovah.