17. Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
1 TE HIHAINO NY VAVAKA ATAONTSIKA I JEHOVAH
“Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.” —Salamo 145:18
Tsy maintsy manao inona izay te hohenoin’i Jehovah?
-
Manam-pinoana.
-
Manetry tena sy manaja.
-
Manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka atao.
-
Mivavaka amin’ny fo fa tsy manao vavaka tsianjery.
-
Manao ny sitrapon’Andriamanitra.
2 FANONTANIANA MOMBA NY VAVAKA
Iza no tokony hivavahana?
Ahoana no tokony ho paozintsika rehefa mivavaka?
Henon’i Jehovah ve ny vavaka mangina?
Hoatran’ny ahoana ny halavan’ny vavaka?
Isaky ny inona isika no tokony hivavaka?
Nahoana isika no miteny “amena” amin’ny faran’ny vavaka?
3 INONA NO RESAHINA AMIN’NY VAVAKA?
“Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” —1 Jaona 5:14
Afaka mivavaka momba ny inona avy isika?
-
Ny sitrapon’i Jehovah.
-
Misaotra an’i Jehovah.
-
Ny zavatra mahakasika anao.
-
Mangataka fanahy masina.
-
Mba hahay hanapa-kevitra.
-
Mba homeny hery hiaretana.
-
Mangataka famelan-keloka.
-
Mivavaka ho an’ny hafa.
4 MAMALY VAVAKA I JEHOVAH
“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”—Salamo 65:2
Ahoana no ataon’i Jehovah mba hamaliana vavaka?
Ohabolana 12:25; Apokalypsy 14:6
Afaka mampiasa anjely na olona i Jehovah.
-
Manome fanahy masina izy mba hanampy antsika.
-
Ataony milamin-tsaina isika ary omeny hery hiaretana.
Galatianina 6:1; 2 Timoty 3:16, 17
Omeny torohevitra amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fiangonana isika.