18. Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho?
1 TOKONY HATAO BATISA VE AHO?
“Io misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”—Asan’ny Apostoly 8:36
Nahoana ianao no tokony hatao batisa? Ahoana no tokony hanaovana batisa anao?
Rehefa atao batisa ianao, dia ho fantatry ny olona hoe niala tamin’ny fiainanao taloha, ary lasa manao ny sitrapon’Andriamanitra.
-
Mila atao batisa ianao raha te hanompo an’i Jehovah.
-
Ny batisanao no ahafantaran’ny olona hoe te hanompo an’i Jehovah ianao.
-
Tsy maintsy aroboka tanteraka ao anaty rano ianao, hoatran’ny natao tamin’i Jesosy.
2 TSY MITAKY ZAVATRA TSY VITANAO I JEHOVAH
“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3
Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra ny hanokan-tena?
-
Tsy voatery ho lavorary ianao vao ho afaka hanokan-tena. Hampian’i Jehovah ianao mba hanao ny tsara foana.
-
Mety hatahotra ianao sao handiso fanantenana an’i Jehovah. Raha tena tia azy anefa ianao, dia tsy hatahotra loatra.
3 INONA AVY NO TOKONY HATAO ALOHAN’NY BATISA?
“Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” —Salamo 40:8
Inona no tokony hataonao raha te hanokan-tena ho an’i Jehovah ianao?
-
MIANATRA BAIBOLY
Ianaro ny momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Ho tianao izy ireo arakaraka ny hanaovanao an’izany.
-
MAMPITOMBO NY FINOANA
Matokia fa ho tanteraka ny zavatra ampanantenain’i Jehovah, ary hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ny soron’i Jesosy.
-
MIBEBAKA
Midika izany hoe tena manenina satria nanao ratsy.
MIVERINA
Midika izany hoe sady tsy manao ratsy intsony, no miezaka manao ny tsara amin’izay.
-
MANOKAN-TENA
Manokan-tena ianao rehefa manao vavaka iray ka manao voady amin’i Jehovah hoe hanompo azy irery ihany sy hanao ny sitrapony foana.