HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 3-4
Nitory Tamin’ilay Vehivavy Samaritanina i Jesosy
Nahavita nitory tsy ara-potoana i Jesosy. Ahoana no nataony?
4:7: Nangataka rano aloha izy, fa tsy tonga dia niresaka momba an’ilay Fanjakana na nilaza hoe izy no Mesia
4:9: Tsy nitsaratsara an’ilay vehivavy izy na dia tsy nifankahazo aza ny Jiosy sy ny Samaritanina
4:9, 12: Niresaka zavatra nety ho nampiady hevitra ilay vehivavy. Nifantoka tamin’ilay foto-kevitra tiany horesahina foana anefa i Jesosy.—cf 77 § 3
4:10: Nanao fanoharana i Jesosy, ary zavatra fanaon’ilay vehivavy amin’ny fiainana andavanandro no nampiasainy
4:16-19: Ratsy fitondran-tena ilay vehivavy, nefa nanaja azy foana i Jesosy
Nahoana no tena ilaina ny mitory tsy ara-potoana rehefa jerena io tantara io?