19-25 Novambra
ASAN’NY APOSTOLY 4-5
Hira 73 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Sahy Nitory ny Tenin’Andriamanitra Izy Ireo”: (10 min.)
As 4:5-13: ‘Tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ i Petera sy Jaona, nefa sahy niresaka ny zavatra ninoany tamin’ny mpitondra sy ny mpanora-dalàna (w08 1/9 15, efajoro; w08 15/5 30 § 6)
As 4:18-20: Nitory foana i Petera sy Jaona na dia nisy nandrahona aza
As 4:23-31: Nangataka ny fanahy masina ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany mba ho sahy hitory (it “Apostoly”: “Teo anivon’ny fiangonana kristianina” § 1)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
As 4:11: Nahoana i Jesosy no lazaina fa “vato fehizoro”? (it “Vato Fehizoro”: “Heviny an’ohatra” § 4)
As 5:1: Nahoana i Ananiasy sy Safira no nivarotra ny fananany? (w13 1/3 15 § 4)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) As 5:27-42
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) Vao manomboka miresaka an’ilay hevitra azo resahina ianao dia manohitra ilay olona. Fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy.
Fiverenana Mitsidika Voalohany: (3 min. na latsaka) Vao manomboka miresaka an’ilay hevitra azo resahina ianao dia manapaka ny teninao ilay olona. Tsy Kristianina, hono, izy.
Video Fiverenana Mitsidika Faharoa: (5 min.) Alefaso ilay video ary iaraho midinika.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Nahitana Vokatra Tsara Maneran-tany ny Kalesy Fampirantiana”: (15 min.) Fiaraha-midinika, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Alefaso ilay video. Raha mampiasa latabatra na kalesy fampirantiana ny fiangonana, dia asehoy eny amin’ny lampihazo ilay izy. Resaho ny fandaharan’ny fiangonana momba an’io karazana fanompoana io. Raha ampy ny fotoana, dia tantarao na ataovy fampisehoana izay zavatra nahafinaritra nitranga, rehefa nanao fampirantiana ny mpitory teo an-toerana. Hazavao izay azon’ny mpitory atao raha te handray anjara amin’izy io izy ireo.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 43 § 8-18
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 64 sy Vavaka