HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 4-5
Sahy Nitory ny Tenin’Andriamanitra Izy Ireo
Nahay nampianatra ny apostoly. Sahy nitory koa izy ireo sady tena nino hoe marina ny zavatra noresahiny. Nahoana? “Niaraka tamin’i Jesosy”, ilay Mpampianatra Lehibe, izy ireo ary nanahaka azy. (As 4:13) Afaka manampy antsika hahay hitory sy hampianatra koa ny modely nomen’i Jesosy. Inona ny sasany amin’izany?