24-30 Desambra
ASAN’NY APOSTOLY 17-18
Hira 78 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Tahafo ny Apostoly Paoly Rehefa Mitory sy Mampianatra”: (10 min.)
As 17:2, 3: Nampiasa ny Soratra Masina i Paoly mba hampisaintsainana ny olona rehefa nampianatra (“niezaka nandresy lahatra”, “noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra” fanazavana As 17:2, 3, nwtsty)
As 17:17: Nitory foana i Paoly na taiza na taiza nahitany olona (“tsena” fanazavana As 17:17, nwtsty)
As 17:22, 23: Nahay nandinika i Paoly ary nitady marimaritra iraisana (“Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” fanazavana As 17:23, nwtsty)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
As 18:18: Inona no azo lazaina momba an’ilay voady nataon’i Paoly? (w08 15/5 32 § 5)
As 18:21: Raha te hanatratra tanjona isika, ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly? (“raha sitrapon’i Jehovah” fanazavana As 18:21, nwtsty)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) As 17:1-15
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fiverenana Mitsidika Faharoa: (3 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. Teneno ilay olona fa tianao haseho azy ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? (mody asehoy fotsiny fa aza alefa). Iaraho midinika ilay izy avy eo.
Fiverenana Mitsidika Fahatelo: (3 min. na latsaka) Fidio izay andinin-teny tianao, ary manolora boky na bokikely fianarana Baiboly.
Fampianarana Baiboly: (6 min. na latsaka) jl lesona 7
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mitory sy Mampianatra Amin’ny Fomba Feno ve Ianao? (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana: Nitory ny Vaovao Tsara Tamin’ny Fomba Feno i Paoly. Fanontaniana: Inona tamin’ny fanompoan’ilay fianakaviana no nila nohatsaraina? Inona tamin’ny modely nomen’i Paoly no narahin’izy ireo? Inona no fitahiana azon’izy ireo? Inona no tianareo hatao amin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 47
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 151 sy Vavaka