NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Fanekena ho Ara-dalàna ny Asa Fitoriana Tany Québec
Nampiasa ny zo nananany i Paoly, ka nangataka ny hotsarain’i Kaisara. Modely ho antsika ny zavatra nataony. Nampiasa ny zony ara-dalàna koa ireo rahalahintsika tany Québec, mba hiarovana ny vaovao tsara. Jereo ilay video hoe Fanekena ho Ara-dalàna ny Asa Fitoriana Tany Québec, ary valio ireto:
Inona ny olana natrehin’ireo rahalahy sy anabavy tany Québec?
Inona no nozarain’ireo rahalahy, ary inona no vokany?
Inona no nitranga tamin’ny Rahalahy Aimé Boucher?
Inona no didy navoakan’ny Fitsarana Tampony tany Kanada, tamin’ilay raharaha momba ny Rahalahy Aimé Boucher?
Inona no zavatra tsy mahazatra nataon’ireo rahalahy rehefa resy izy ireo? Dia inona no vokany?
Inona no didy navoakan’ny fitsarana, rehefa nisy polisy nandrava fivoriana iray?