HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 KORINTIANINA 7-9
Fanomezana ny hoe Mijanona ho Mpitovo
Kristianina maro no nahita fa misy tombony ilay hoe mijanona ho mpitovo. Afaka mampitombo ny fanompoany izy ireo, minamana amin’ny olona samihafa, ary mifandray kokoa amin’i Jehovah.
Mitory eran’i Aostralia, 1937; avy nanao Sekolin’i Gileada ary tonga any Meksika, 1947
Mitory any Brezila; manatrika Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Malawi
SAINTSAINO IZAO: Raha mpitovo ianao, inona no azonao atao mba hanararaotana tsara an’izany?
Inona no azon’ireo anisan’ny fiangonana atao mba hampaherezana sy hanampiana an’ireo mpitovo?