2-8 Septambra
HEBREO 7-8
Hira 16 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Mpisorona Mandrakizay Tahaka An’i Melkizedeka”: (10 min.)
He 7:1, 2: Sady mpanjaka i Melkizedeka no mpisorona. Nisy fotoana izy nitsena an’i Abrahama sady nitso-drano azy (it “Melkizedeka” § 1-2)
He 7:3: “Tsy nanana tetirazana” i Melkizedeka, ary “ho mpisoronabe mandrakizay” izy (it “Melkizedeka”: “Tsy nandimby na iza na iza sady tsy hisy mpandimby” § 2)
He 7:17: ‘Mpisorona mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka’ i Jesosy (it “Melkizedeka”: “Mifanitsy amin’io mpisoronabe io i Kristy”)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
He 8:3: Inona no tsy mampitovy ny fanomezana sy ny sorona? (w00 15/8 14 § 11)
He 8:13: Nahoana no toy ny hoe efa “lany andro” ny fifaneken’ny Lalàna, tamin’ny andron’i Jeremia? (it “Fifanekena”: “Fifaneken’ny Lalàna” § 4)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) He 7:1-10 (th lesona 5)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra: (10 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Mampisehoa Video na Sary, ary iaraho midinika ny lesona 9 amin’ny bokikely Miezaha.
Lahateny: (5 min. na latsaka) Foto-kevitra: Inona ny Fifanekena Vaovao? (it “Fifanekena”: “Fifanekena vaovao”) (th lesona 7)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Zava-bitan’ny Fandaminana: (15 min.) Alefaso ilay video hoe Zava-bitan’ny Fandaminana, izay tokony halefa amin’ity Septambra ity. Ampirisiho ny rehetra mba hitsidika ny foibe any Warwick na ny biraon’ny sampana eo an-toerana.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 82
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 83 sy Vavaka