NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Izany Foana Heverina”
Inona ilay hoe tokony hoheverintsika foana? Milaza ny Filipianina 4:8 hoe izay zavatra marina, zava-dehibe, mahitsy, madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana. Tsy midika akory izany hoe zavatra momba ny Baiboly foana no tokony hoeritreretintsika. Zavatra ankasitrahan’i Jehovah anefa no tokony hosaintsainintsika, fa tsy zavatra manimba ny fifandraisantsika aminy.—Sl 19:14.
Sarotra ilay hoe miezaka ny tsy hieritreri-dratsy, noho isika tsy lavorary. Isika koa mbola mila manohitra an’i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2Ko 4:4) Ahitana ny toe-tsainy ny ankamaroan’ny zavatra ao amin’ny tele, radio, Internet, na boky. Hisy vokany ratsy amin’ny fomba fisainantsika sy ny fitondran-tenantsika izy ireny, raha tsy mifidy tsara isika.—Jk 1:14, 15.
JEREO ILAY VIDEO HOE HALAVIRO IZAY METY HAHATONGA ANAO HIVADIKA: FIALAM-BOLY RATSY, ARY VALIO IRETO:
Inona no nojeren’ilay rahalahy tao amin’ny telefaoniny? Ary inona no vokatr’izany taminy?
Nahoana no nanampy azy ny Galatianina 6:7, 8 sy ny Salamo 119:37?