NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tian’i Jehovah ny Olona Madio
Matetika isika no maheno ray aman-dreny miteny amin’ny zanany hoe: ‘Sasao ny tananao, fafao ny tokotany, ario ny fako, diovy ny trano.’ Tiany hampianarina hadio mantsy ny zanany. I Jehovah anefa no tena mampianatra antsika hadio. (Ek 30:18-20; De 23:14; 2Ko 7:1) Manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa madio foana ny vatantsika sy ny fananantsika. (1Pe 1:14-16) Ary ahoana ny amin’ny tranontsika sy ny manodidina antsika? Mitandrina isika mba tsy handoto ny tontolo iainana. Tsy manarinary fako eny an-dalana, ohatra, isika. (Sl 115:16; Ap 11:18) Tsy voatery ho amin’ny zavatra lehibe vao hita hoe tia fahadiovana isika. Aiza, ohatra, no ariantsika ny taratasy na sachet avy nihinanantsika zavatra? Tiantsika haseho amin’ny zavatra rehetra ataontsika fa “mpanompon’Andriamanitra” isika.—2Ko 6:3, 4.
JEREO ILAY VIDEO HOE TIAN’ANDRIAMANITRA NY OLONA MADIO, ARY VALIO IRETO:
Mitady fialan-tsiny tsy hanadiovana ny fananany ny olona sasany. Inona, ohatra, no lazainy?
Hitantsika ao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny fiheveran’i Jehovah ny fahadiovana. Hazavao.
Tsy amin’ny zavatra lazaintsika ihany isika no afaka manome voninahitra an’i Jehovah. Inona koa no azontsika atao?
Inona no azoko atao mba hampisehoana fa tia fahadiovana hoatran’i Jehovah aho?