NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Nitelina ny Renirano” ny Tany
Betsaka ny manam-pahefana efa nanampy ny vahoakan’i Jehovah. (Ezr 6:1-12; Es 8:10-13) Hitantsika izany na amin’izao aza. Antsoina hoe “tany” ny manam-pahefana malala-tsaina, ao amin’ny Apokalypsy 12:16. Toy ny hoe mitelina ny “renirano”, na ny fanenjehana ataon’i Satana, izy ireo satria manampy ny vahoakan’i Jehovah. “Andriamanitra mpamonjy” i Jehovah, ka mampiasa ny mpitondra izy indraindray mba hanampy ny vahoakany.—Sl 68:20; Oh 21:1.
Ahoana anefa raha migadra noho ny finoanao ianao? Tadidio foana hoe tena miahy anao i Jehovah. (Ge 39:21-23; Sl 105:17-20) Matokia fa hamaly soa anao izy noho ianao manam-pinoana. Tena mampahery an’ireo rahalahy maneran-tany koa ny tsy fivadihanao.—Fi 1:12-14; Ap 2:10.
ALEFASO ILAY VIDEO HOE NAFAHANA AVY TANY AM-PONJA NY RAHALAHY KOREANINA, ARY VALIO IRETO:
Rahalahy an’arivony no nigadra tany Korea Atsimo, nandritra ny taona maro. Nahoana?
Inona ny fanapahan-kevitra noraisin’ny manam-pahefana, ka nahatonga an’ireo rahalahintsika hahazo famotsoran-keloka?
Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo rahalahintsika migadra noho ny finoany?
Ahoana no tokony hampiasantsika ny fahafahana ananantsika?
Iza no tena mahatonga antsika handresy eny amin’ny fitsarana?
Ahoana no ampiasako ny fahafahana ananako?