HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 3-5
Ratsy Be ny Vokatr’ilay Lainga Voalohany
Namitaka ny olona foana i Satana, nanomboka tamin’ilay fotoana nandaingany tamin’i Eva. (Ap 12:9) Nahoana ireto lainga aelin’i Satana ireto no misakana ny olona tsy hifandray amin’i Jehovah?
Tsy misy izany Andriamanitra izany
Telo izay iray Andriamanitra ary saro-pantarina
Tsy manana anarana Andriamanitra
Mampijaly olona mandrakizay any amin’ny afobe Andriamanitra
Sitrapon’Andriamanitra daholo izay zavatra rehetra mitranga
Tsy miraharaha ny olombelona Andriamanitra
Inona no tsapanao rehefa maheno an’ireo lainga aelin’i Satana ireo ianao?
Inona no azonao atao mba hanaporofoana fa diso ireo zavatra lazain’i Satana momba an’Andriamanitra?