HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 9-11
“Mbola Nampiasa Fiteny Iray Ihany ny Tany Manontolo”
Nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny olona tany Babela, amin’izay miparitaka izy ireo. Amin’izao kosa izy manangona vahoaka be avy amin’ny firenena sy fiteny rehetra. Ampianariny “fiteny madio” izy ireo, mba ‘hiantsoany ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.’ (Ze 3:9; Ap 7:9) Ny “fiteny madio” dia ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany hita ao amin’ny Baiboly.
Tsy hoe mitadidy voambolana vaovao fotsiny isika rehefa mianatra fiteny, fa mila mianatra fomba fisainana vaovao koa. Miezaka manova ny fomba fisainantsika koa isika, rehefa mianatra ny fiteny madio. (Ro 12:2) Manao an’izany foana ny mpanompon’i Jehovah, ka lasa miray saina.—1Ko 1:10.