10-16 Febroary
GENESISY 15-17
Hira 39 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Novan’i Jehovah ny Anaran’i Abrama sy Saray”: (10 min.)
Ge 17:1: Tsy nanan-tsiny i Abrama na dia tsy lavorary aza (it “Fahadisoana”: “Fiheveran’i Jehovah ny olombelona” § 2)
Ge 17:3-5: Novana hoe Abrahama ny anaran’i Abrama (it “Abrahama”: “Tonga ilay taranaka nampanantenaina” § 2)
Ge 17:15, 16: Novana hoe Saraha ny anaran’i Saray (w09 1/2 13 § 3)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (10 min.)
Ge 15:13, 14: Oviana no nanomboka sy nifarana ireo 400 taona? (it “Fanisan-taona”: “Nanomboka tamin’ny famoronana ny olombelona ka hatramin’izao” § 19)
Ge 15:16: Nahoana no lazaina fa hiverina any Kanana ny taranak’i Abrahama amin’ny “andron’ny zafiafiny”? (it “Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta”: “Ny isan’ireo Israelita nafahana” § 2)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny harena miafina hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ge 15:1-16 (th lesona 10)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Mitory: (4 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Inona no mampiseho fa nahay nametraka fanontaniana ilay mpitory? Nahoana no nandaitra ny fanoharana nampiasainy?
Mitory: (3 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Manohitra ilay olona, ary fanoherana fahita eny amin’ny faritaninareo ilay izy. Miezaka mamaly azy ianao. (th lesona 3)
Mitory: (5 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Omeo bokikely Vaovao Tsara ilay olona avy eo, ary ampiasao ny lesona 3 mba hanombohana fampianarana Baiboly. (th lesona 6)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Inona no Azon’ny Mpivady Atao mba Hifankatia Kokoa Izy Ireo?”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Inona no Hanampy ny Mpivady Hifankatia Foana?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 103
Teny Famaranana (3 min. na latsaka)
Hira 92 sy Vavaka