HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 15-17
Novan’i Jehovah ny Anaran’i Abrama sy Saray
Tsy nanan-tsiny i Abrama teo imason’i Jehovah. Rehefa nohazavain’i Jehovah tamin’i Abrama ny fampanantenany, dia nomeny anarana vaovao i Abrama sy Saray. Nampiseho ny zavatra hitranga tatỳ aoriana ilay anarana vaovao.
Lasa rain’ny firenena maro i Abrahama, ary i Saraha indray lasa razamben’ny mpanjaka maro. Izany mantsy no dikan’ny anaran’izy ireo.
Abrahama
Rain’ny Maro
Saraha
Andriambavy
Tsy afaka mifidy ny anarantsika isika raha vao teraka. Ny lazantsika kosa no azontsika fidina. Maninona àry raha miezaka ny ho tsara laza hoatran’i Abrahama sy Saraha? Eritrereto izao:
‘Inona no azoko atao mba tsy hanan-tsiny eo imason’i Jehovah aho?’
‘Manana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah ve aho?’