NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Inona no Azon’ny Mpivady Atao mba Hifankatia Kokoa Izy Ireo?
Ohatra tsara ho an’ny mpivady i Abrahama sy Saraha, satria tena nifankatia sy nifanaja. (Ge 12:11-13; 1Pe 3:6) Niatrika olana anefa izy ireo indraindray, fa tsy hoe nilamina be foana ny tokantranony. Inona no azon’ny mpivady ianarana avy amin’izy ireo?
Miezaha hifampiresaka tsara. Raha tezitra, ohatra, ny vadinao rehefa miresaka aminao, dia miezaha ho tsara fanahy aminy. (Ge 16:5, 6) Manokàna fotoana hiarahana. Asehoy amin’ny zavatra lazainao sy ataonao fa tianao izy. Inona anefa no zava-dehibe indrindra? Miezaha hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Aza hadino àry ny miara-mianatra ny Baiboly, miara-mivavaka, ary miara-manompo. (Mpto 4:12) I Jehovah no namorona ny fanambadiana ary masina izy io aminy. Hanome voninahitra azy ny mpivady raha mifankatia foana.
JEREO ILAY VIDEO HOE INONA NO HANAMPY NY MPIVADY HIFANKATIA FOANA?, ARY VALIO IRETO:
Inona no nampiseho hoe tsy dia nifandray be intsony i Vonjy sy Felana?
Nahoana no tena ilain’ny mpivady ny mifampiresaka tsara?
Nahoana no nanampy an’i Vonjy sy Felana ny ohatr’i Abrahama sy Saraha?
Inona no nataon’i Vonjy sy Felana mba hifandray tsara indray izy ireo?
Nahoana ny mpivady no tsy tokony hanantena hoe hilamina be foana ny tokantranon’izy ireo?
Afaka ny hifankatia kokoa ianareo mivady!