NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mandray Soa avy Amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao?
Anisan’ny fahazaranao ve ny mamaky ny andinin-teny sy ny fanazavana ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro? Sao dia afaka miezaka ianao raha mbola tsy zatra manao an’izany? Betsaka no mandinika azy io isa-maraina. Amin’izay izy ireo afaka misaintsaina ny hevitra tao amin’ilay izy mandritra ny andro. (Js 1:8; Sl 119:97) Inona no azonao atao mba handray soa kokoa amin’ny andinin-teny ho an’ny andro ianao? Jereo ny andinin-teny manodidina, mba ho fantatrao hoe inona no zava-nisy tamin’izany. Mieritrereta tantara ao amin’ny Baiboly manasongadina an’ilay toro lalana resahina. Ampiharo ilay toro lalana avy eo. Raha mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ianao rehefa manapa-kevitra, dia tena hitari-dalana anao izy io. Handray soa koa ianao amin’izay.—Sl 119:105.
Miara-mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro ny fianakavian’ny Betela maneran-tany amin’ny maraina. Maro amin’ny fanazavana tamin’izy ireny no navoaka ao amin’ny Tele JW, ao amin’ilay hoe TRANGA. Oviana ianao no nijery farany ny iray amin’izy ireny? Mety ho ilay zavatra ilainao mihitsy no resahin’izy ireny. Eritrereto, ohatra, hoe nahoana ny tantaran’i Lota no manampy anao handray fanapahan-kevitra tsara.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA TIA AN’IZAO TONTOLO IZAO (1JN 2:15), ARY VALIO IRETO:
Inona ny toro lalana tena noresahina tamin’ilay fotoam-pivavahana maraina?
Tena mampidi-doza ny hoe tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo aminy. Nahoana ny tantaran’i Lota no mampiseho an’izany?—Ge 13:12; 14:12; 19:3, 12, 13, 24-26
Ahoana no hampisehoantsika hoe i Jehovah no tiantsika fa tsy ity tontolo ity na ny zavatra eo aminy?
Ahoana no hampisehoako, mandritra ny andro, fa sarobidy amiko ny Tenin’Andriamanitra?