HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 34-35
Ratsy Be ny Vokatr’ilay hoe Miaraka Amin’ny Naman-dratsy
Hitanao angamba hoe manana toetra tsara ny mpiara-monina, mpiara-mianatra, na mpiara-miasa aminao. Izany ve anefa midika hoe namana tsara izy ireo? Ahoana no hahalalana raha namana tsara ny olona iray na tsia?
Hanampy ahy hifandray kokoa amin’i Jehovah ve izy?
Inona no zava-dehibe aminy rehefa jerena ny zavatra resahiny?—Mt 12:34
SAINTSAINO IZAO: ‘Manampy ahy hifandray kokoa amin’i Jehovah ve ny namako?’