HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 36-37
Nialona An’i Josefa Ireo Rahalahiny ka Nampijaly Azy
Hita avy amin’ny tantaran’i Josefa hoe misy vokany ratsy ny fialonana. Resahina eo ambany hoe maninona isika no tokony hiezaka mba tsy hialona mihitsy. Ampifandraiso amin’ireo andinin-teny ny hevitra tsirairay.
ANDININ-TENY
NAHOANA ISIKA NO TSY TOKONY HIALONA?
Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona be fialonana
Lasa mikorontana sy tsy miray saina ny fiangonana
Manimba ny fahasalamantsika ny fialonana
Lasa tsy mahita ny toetra tsaran’ny hafa isika
Rahoviana isika no mety hialona ny hafa?