HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 8-9
Tsy Fantatr’i Farao hoe Nanatanteraka ny Fikasan’Andriamanitra Izy
Nihevitra ny tenany ho andriamanitra ireo Farao tany Ejipta. Tsy mahagaga àry raha nanambony tena be i Farao, ka tsy nety nihaino an’i Mosesy sy Arona. Na ireo mpisorona ejipsianina aza tsy nohenoiny.
Mihaino an’izay soso-kevitra omen’ny hafa ve ianao? Faly ve ianao rehefa manitsy anao ny hafa? Sa ianao mieritreritra hoe ny anao foana no marina? Milaza ny Baiboly hoe: “Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana.” (Oh 16:18) Tena zava-dehibe àry ny mitandrina mba tsy hirehareha.