NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mampianatra Antsika ho Be Herim-po ny Zavaboary
Mampianatra antsika haneho toetra tsara i Jehovah. Ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny Baiboly no ampiasainy amin’izany. Mampiasa ny zavaboary koa anefa izy mba hampianarana antsika. (Jb 12:7, 8) Mampianatra antsika ho be herim-po, ohatra, ny liona, soavaly, mangouste, kôlibria, ary elefanta.
JEREO ILAY VIDEO HOE MAMPIANATRA ANTSIKA HO BE HERIM-PO NY ZAVABOARY, ARY VALIO IRETO:
Inona no mampiseho fa be herim-po ny liona vavy rehefa miaro ny zanany?
Ahoana no nanazarana ny soavaly mba tsy hatahotra rehefa any an’ady?
Nahoana ny mangouste no tsy matahotra bibilava misy poizina?
Inona no mampiseho fa be herim-po ny kôlibria?
Ahoana no ahitana hoe be herim-po ny elefanta rehefa miaro ny elefanta hafa?
Inona no ianaranao momba ny herim-po rehefa mandinika an’ireo biby ireo ianao?