NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mitandrema mba Tsy Hanely Tsaho
Mora miparitaka izao ny vaovao, ary olona an-tapitrisany no tonga dia mahafantatra an’ilay izy. Mety ho amin’ny alalan’ny boky, gazety, radio, tele, na Internet izany. Mpanompon’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana” anefa isika, ka tsy tokony hanely tsaho na dia tsy fanahy iniana aza. (Sl 31:5; Ek 23:1) Mety hisy vokany ratsy be mantsy izany. Saintsaino izao mba hahalalana raha marina ny zavatra henonao na tsia:
‘Azo itokisana ve ny olona nilaza an’ilay izy?’ Mety hoe tsy mahalala ny zava-drehetra izy. Mety hiova koa ny resaka rehefa miampitampita. Mila mitandrina àry ianao, raha tsy fantatrao izay niresaka an’ilay izy voalohany. Mila mitandrina koa ireo rahalahy manana andraikitra mba tsy hiresaka zavatra mbola tsy voaporofo. Matoky azy ireo mantsy ny fiangonana
‘Manaratsy olona ve ilay izy?’ Aza resadresahina ilay izy raha manimba ny lazan’ny olona iray na maromaro.—Oh 18:8; Fi 4:8
‘Mitombina ve ilay izy?’ Mitandrema rehefa maheno tantara na resaka mahaliana be na manaitra
JEREO ILAY VIDEO HOE AHOANA NO ATAOKO RAHA MISY MIFOSAFOSA?, ARY VALIO IRETO:
Inona no mety ho vokatry ny tenintsika, araka ny Ohabolana 12:18?
Nahoana ny Filipianina 2:4 no manampy antsika hifidy ny zavatra resahintsika momba ny hafa?
Inona no tokony hataontsika rehefa lasa mivadika ho fifosana na fanaratsiana ilay resaka?
Inona ny fanontaniana tokony hosaintsainina alohan’ny hiresahana momba ny hafa?