HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 33-34
Ireo Toetran’i Jehovah Manintona Antsika
Nahafantatra tsara ny toetran’i Jehovah i Mosesy, dia izay no nanampy azy hanam-paharetana tamin’ny Israelita. Raha miezaka mahafantatra tsara ny toetran’i Jehovah koa isika, dia hamindra fo amin’ireo mpiara-manompo amintsika.
“Mamindra fo sy tsara fanahy”: Mikarakara ny mpanompony i Jehovah, hoatran’ny ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanany. Hita amin’ny fomba anaovany an’ilay izy hoe tena tia sy miahy azy ireo izy
“Tsy mora tezitra”: Manam-paharetana amin’ny mpanompony i Jehovah. Tsy mora tezitra izy rehefa manao diso izy ireo, ary omeny fotoana izy ireo mba hahafahany miova
“Be hatsaram-panahy feno fitiavana”: Tena tia sy tsy mivadika amin’ny vahoakany i Jehovah, ary haharitra mandrakizay izany
SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no azoko atao mba hahay hamindra fo sy ho tsara fanahy hoatran’i Jehovah aho?’