HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 16-17
Fianarana avy Amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana
Nampiasa emboka manitra ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Inona no ianarantsika avy amin’izany?
Toy ny emboka manitra ny vavaka ataon’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. (Sl 141:2) Tena nanaja an’i Jehovah ny mpisoronabe rehefa nitondra an’ilay emboka manitra ho azy. Mila manaja tsara an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka
Tsy maintsy nandoro emboka manitra aloha ny mpisoronabe vao afaka nanolotra sorona. Tsy maintsy nankatò sy tsy nivadika mandra-pahafatiny koa i Jesosy vao neken’i Jehovah ny sorona nataony
Inona no tokony hataoko mba ho azo antoka hoe eken’i Jehovah ny sorona atolotro azy?