FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21.1 6
  • Arovy ny Tokantranonao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Tokantranonao
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21.1 6
A husband sitting on the ground next to his wife and happily washing clothes with her.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Arovy ny Tokantranonao

Zava-dehibe amin’i Jehovah ny voadim-panambadiana, ka tsy tiany hisaraka mihitsy ny mpivady. (Mt 19:5, 6) Maro ny mpivady kristianina fakan-tahaka. Tsy misy fanambadiana tonga lafatra anefa. Na izany aza, dia tsy tokony hanahaka ny fanaon’ny olona isika, ka hoe hisintaka na hisaraka raha vao misy olana. Inona àry no azon’ny mpivady atao mba tsy ho rava ny tokantranony?

Ireto misy dingana dimy tena manampy:

  1. Arovy ny fonao, ka aza miadaladala amin’olon-kafa na manao fialam-boly misy fitondran-tena maloto. Manimba tokantrano izany.—Mt 5:28; 2Pe 2:14.

  2. Hatsarao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Ataovy izay azonao atao mba hankasitrahany ny tokantranonao.—Sl 97:10.

  3. Tafio foana ny toetra vaovao. Manaova zavatra tsara madinidinika mba hampifaliana ny vadinao.—Kl 3:8-10, 12-14.

  4. Miezaha hifampiresaka tsara foana, ary hifanaja rehefa manao an’izany.—Kl 4:6.

  5. Miezaha haneho fitiavana rehefa manao ny adidy amin’ny vadinao.—1Ko 7:3, 4; 10:24.

Rehefa manaja ny fanambadiany ny Kristianina dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay namorona azy io.

JEREO ILAY VIDEO HOE TSY MAINTSY ‘MIHAZAKAZAKA AMIM-PAHARETANA’ ISIKA: ARAHO NY FITSIPI-DALAO. VALIO IRETO AVY EO:

  • A scene from the video ‘We Must ‘Run With Endurance’​—Obey the Rules of the Contest.’ Brother and Sister Calou smile after their wedding talk at a Kingdom Hall.

    Na dia milamina tsara aza ny tokantrano amin’ny voalohany, inona ny olana mety hitranga?

  • A scene from the video ‘We Must ‘Run With Endurance’​—Obey the Rules of the Contest.’ Brother and Sister Calou calmly discuss their challenges. An open Bible is on the table.

    Mety hahatsapa ny mpivady hoe tsy mifankatia intsony. Nahoana anefa ny toro lalan’ny Baiboly no mety hanampy?

  • A scene from the video ‘We Must ‘Run With Endurance’​—Obey the Rules of the Contest.’ Brother Calou reading to his wife and two daughters from ‘My Book of Bible Stories.’

    Ampiharo ny toro lalan’ny Baiboly dia ho sambatra ianareo

    Inona ny fitsipika napetrak’i Jehovah ho an’ny mpivady?

  • Inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady, raha tiany ho sambatra ny tokantranony?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara