NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tsy Sarotra Loatra ny hoe Be Herim-po
Be herim-po ny olona iray raha sahy fa tsy kanosa. Tsy hoe tsy matahotra mihitsy anefa izy. Manao zavatra kosa izy na dia matahotra aza. I Jehovah no mahatonga antsika ho tena be herim-po. (Sl 28:7) Ahoana no ampisehoan’ny tanora hoe be herim-po izy?
JEREO ILAY VIDEO HOE TAHAFO IREO OLONA BE HERIM-PO FA TSY IREO KANOSA. VALIO IRETO AVY EO:
Rahoviana ny tanora no mila herim-po?
Tantaran’iza avy ao amin’ny Baiboly no manampy antsika ho be herim-po?
Inona ny soa azontsika sy ny olona mandinika antsika rehefa be herim-po isika?