NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Fomba Telo Azonao Ampisehoana hoe Miantehitra Amin’i Jehovah Ianao
Nandresy an’i Goliata i Davida satria niantehitra tamin’i Jehovah izy. (1Sa 17:45) Te hampiasa ny heriny mba hanampiana ny mpanompony tsirairay i Jehovah. (2Ta 16:9) Ahoana no hampisehoantsika hoe miantehitra amin’ny fanampiany isika fa tsy amin’ny fahaizantsika na amin’ny traikefa ananantsika? Ireto misy fomba telo:
Mivavaha matetika. Mangataha famelan-keloka raha nanao fahadisoana ianao. Mivavaha koa anefa mba hahazo hery rehefa misy fakam-panahy. (Mt 6:12, 13) Mivavaha mba hotahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra noraisinao. Mivavaha koa anefa mba homen’i Jehovah tari-dalana sy fahendrena alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra.—Jk 1:5
Vakio sy ianaro tsy tapaka ny Baiboly. Vakio isan’andro ny Baiboly. (Sl 1:2) Makà fotoana hisaintsainana ny tantaran’ny olona ao, ary ampiharo izay nianaranao. (Jk 1:23-25) Aza matoky tena rehefa hanompo fa manomàna tsara ary manaova fikarohana. Omano koa ny fivoriana dia handray soa feno ianao
Miaraha miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah. Fantaro ny toromarika farany omen’ny fandaminana ary araho avy hatrany izany. (No 9:17) Araho tsara ny torohevitra sy toromarika avy amin’ny anti-panahy.—He 13:17
JEREO ILAY VIDEO HOE TSY MISY ANTONY TOKONY HATAHORANA FANENJEHANA. VALIO IRETO AVY EO:
• Inona no natahoran’ireo rahalahy sy anabavy?
• Inona no nanampy azy ireo?