FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mampiasa Tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Tenin’ny Tanana ve Ianao?
Misy fanondroana andininy hafa ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ary tena manampy be izy ireny rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao. Natao rohy izy ireny ao amin’ilay lisitry ny andinin-teny, ao amin’ilay programa JW Library Sign Language®. Rehefa mijery andininy iray ianao, dia afaka mifidy ny hijery andininy hafa ao amin’ny fanondroana, ary tsy sarotra ny miverina mijery an’ilay andininy nojerenao tamin’ny voalohany.
Tena nanampy be an’ireo rahalahy sy anabavintsika marenina io zava-baovao io. Tsapan’izy ireo hoe nanatsara ny fomba fianatr’izy ireo izany. Rehefa nanokana fotoana handinihana ny fanondroana andininy izy ireo dia nahita hoe lasa nahatakatra kokoa an’izay lazain’ny Baiboly ary lasa nifandray kokoa tamin’i Jehovah.—Sl 119:97; Oh 4:5.
Mety hisy heriny lehibe eo amin’ny fiainantsika ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra. (2Ta 34:19-21) Maninona àry raha atao fahazarana ny mijery ny fanondroana andininy isaky ny mamaky Baiboly?
JEREO ILAY VIDEO HOE ZAVA-BAOVAO AO AMIN’NY JW LIBRARY SIGN LANGUAGE, ARY VALIO ITY:
Inona no tena itiavanao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny tenin’ny tanana?