FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.1 9
  • 26 Febroary–3 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 26 Febroary–3 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.1 9

26 FEBROARY–3 MARTSA

SALAMO 11-15

Hira 139 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Alao Sary An-tsaina hoe ao Amin’ny Tontolo Vaovao Ianao

(10 min.)

Be dia be ny herisetra amin’izao satria tsy mankatò lalàna sy tsy manaja filaminana ny olona (Sl 11:2, 3; w06 15/5 18 § 3)

Matoky isika hoe tsy ho ela dia hofoanan’i Jehovah ny herisetra (Sl 11:5; wp16.4 11)

Ho vonona hiandry ny tontolo vaovao isika raha misaintsaina ny fampanantenan’i Jehovah hoe hamonjy antsika (Sl 13:5, 6; w17.08 6 § 15)

Ankizivavy iray matory eo ambany hazo amin’ny alina nefa tsy matahotra. Misy pantera anankiray matory eo ambonin’ilay hazo, eo akaikiny eo.

ANDRAMO IZAO: Vakio ny Ezekiela 34:25, ary alao sary an-tsaina hoe hilamina be hoatran’ilay resahin’io andininy io ny fiainanao.​—kr 236 § 16.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 14:1: Nahoana no mety hifindra amin’ny Kristianina ilay toe-tsaina voaresaka ao amin’io andininy io? (w13 15/9 19 § 12)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 5:3, 4 (th lesona 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hanatrika Fahatsiarovana ilay olona. (lmd 5:3)

5. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Asao hanatrika Fahatsiarovana ilay olona. (lmd 3:4)

6. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Liana ilay olona rehefa nomenao fanasana Fahatsiarovana. (lmd 7:4)

7. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 13, famintinana sy famerenana ary tanjona. Mifidiana lahatsoratra iray eo amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto” mba hanampiana ny mpianatrao hahita hoe ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny fivavahan-diso. (th lesona 12)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 8

8. “Aleo Fahendrena toy Izay Fitaovam-piadiana”

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Ilay raim-pianakaviana ao amin’ilay video hoe “Tahafo Ireo Manam-pinoana: Enoka fa Tsy Lameka.” Misaintsaina an’izay vakiny ao amin’ny Baiboly izy, ka maka sary an-tsaina an’i Enoka miafina ao anaty lava-bato fa misy olona mitam-piadiana mitady hamono azy.

Mitombo be ny herisetra maneran-tany. Fantatr’i Jehovah hoe mampitebiteby be antsika ny mahita herisetra na iharan’izany. Fantany koa hoe mila arovana amin’izany isika, ary mampiasa ny Teniny izy mba hiarovana antsika.​—Sl 12:5-7.

Misy torohevitra feno fahendrena izay tsara kokoa noho ny “fitaovam-piadiana” ao amin’ny Baiboly. (Mpto 9:18) Nahoana ireto torolalan’ny Baiboly ireto no miaro antsika mba tsy hiharan’ny herisetra?

  • Mpto 4:9, 10: Aza mandeha irery amin’ny toerana mampiahiahy

  • Oh 22:3: Miezaha foana ho mailo amin’izay zava-mitranga manodidina anao, rehefa tsy ao an-trano ianao

  • Oh 26:17: Aza midikiditra amin’ny adin’olona

  • Oh 17:14: Ialao ny toerana mety hitrangan’ny herisetra. Raha misy olona mitady hirotsaka an-dalambe, dia mialà haingana

  • Lk 12:15: Aza manao sorona ny ainao mba hiarovana ny fanananao

Alefaso ilay VIDEO hoe Tahafo Ireo Manam-pinoana: Enoka fa Tsy Lameka. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:

Nahoana ny modelin’i Enoka no nanampy an’ilay raim-pianakaviana handray fanapahan-kevitra tsara rehefa nanjaka ny herisetra tany amin-dry zareo?​—He 11:5

Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hanao zavatra mba hiarovana ny tenany sy ny fananany ny Kristianina iray. Tokony hiezaka mafy araka izay azony atao anefa izy mba tsy hamono olona ka hivesatra trosan-dra.​—Sl 51:14; jereo ilay “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2017.

9. Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fahatsiarovana Manomboka ny Asabotsy 2 Martsa

(5 min.) Lahateny ataon’ny anti-panahy. Resaho koa ny fandaharana ataon’ny fiangonana momba ny lahateny manokana sy ny Fahatsiarovana ary ny fomba hamitana ny faritany. Ampahatsiahivo ny mpitory hoe afaka manao mpisava lalana mpanampy izy ireo mandritra ny volana Martsa sy Aprily, ary afaka mifidy ny hanatratra 15 ora.

10. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 47, 48, 49

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 40 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara