Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2023 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
1-7 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 32-33
Ampaherezo Izay Miady Saina
it “Eliho” § 2
Eliho
Tsy nanavakavaka i Eliho, ary tsy nampiasa anaram-boninahitra mba handokafana olona. Niaiky izy fa samy natao tamin’ny tanimanga na izy na i Joba, ary ilay Mahery Indrindra no Mpamorona azy. Tsy nieritreritra ny hampahatahotra an’i Joba izy fa niresaka taminy toy ny tamin’ny namana akaiky. Nanonona ny anaran’i Joba izy, fa i Elifaza sy Bildada ary Zofara kosa tsy nanao toy izany mihitsy.—Jb 32:21, 22; 33:1, 6.
w14 15/6 25 § 8-10
Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah An’ireo Malemy
8Inona no hanampy antsika hangoraka kokoa an’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika? Tadidio fa maro amin’izy ireny no mijaly satria marary na ketraka mafy na miara-mipetraka amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona. Mety mbola hiatrika olana mitovy amin’izay atrehin’izy ireny koa isika. Nampahatsiahivina ireo Israelita, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, fa tsy tokony ‘hanamafy ny fony’ amin’ireo rahalahiny ory. Efa mba nahantra sy nijaly mantsy izy ireo tany Ejipta. Tian’i Jehovah hanampy ny mahantra izy ireo.—Deot. 15:7, 11; Lev. 25:35-38.
9Tsy tokony hitsaratsara na hiahiahy an’ireo Kristianina miatrika olana isika, fa tokony hampahery azy ireo kosa. (Joba 33:6, 7; Mat. 7:1) Eritrereto hoe niharan-doza ny mpitaingina môtô iray ary nentina tany amin’ny hopitaly. Mbola hanadihady ve ireo mpitsabo hoe izy no nahatonga an’ilay loza sa tsia? Tsia. Hitsabo azy avy hatrany kosa izy ireo. Toy izany koa no tokony hataontsika rehefa misy mpiara-manompo malemy noho ny olana mahazo azy. Izay hanampiana azy no tokony hoeritreretintsika voalohany.—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:14.
10 Marina fa hoatran’ny hoe malemy ny mpiara-manompo sasany. Ho hafa mihitsy anefa ny fahitantsika azy, raha misaintsaina ny zavatra iainany isika. Efa an-taonany maro, ohatra, ny anabavy sasany no niaritra ny fanoheran’ny vadiny. Mety ho tsotsotra sy kely aina ny fahitana azy, nefa manana finoana matanjaka sy be herim-po izy. Ary ahoana no tsapanao rehefa mahita reny tokan-tena tonga mivory foana miaraka amin’ny zanany? Tsy mampiaiky anao ve ny finoany sy ny fikirizany? Eo koa ireo tanora maro izay tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy, na dia taomin’ny hafa hanao ratsy aza any an-tsekoly. Lasa manetry tena isika rehefa mieritreritra an’izany. Miaiky isika fa na dia toa malemy aza izy ireny, dia ‘manan-karena amin’ny finoana’, toa an’ireo Kristianina hafa tsy dia manana olana.—Jak. 2:5.
Vatosoa Ara-panahy
w13 15/1 19 § 10
Miezaha Hifandray Akaiky Amin’i Jehovah Foana
10 Toy izany koa ny bika aman’endrika. Marina fa tsy misy maha ratsy ny mikarakara bika aman’endrika. Tsy voatery hoe hanao ezaka be anefa isika mba hanalana ny soritry ny fahanterana rehetra hita eny amintsika. Mariky ny fahamatorana sy ny voninahitra, ary ny toetra tsara anaty ananantsika izy ireny. Hoy ny Baiboly: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohab. 16:31) Ny toetrantsika no zava-dehibe kokoa amin’i Jehovah fa tsy ny bika aman’endritsika, ka tokony ho toy izany koa ny fomba fihevitsika. (Vakio ny 1 Petera 3:3, 4.) Hendry àry ve isika raha manao fitsaboana na fandidiana mety hampidi-doza, satria fotsiny hoe te ho tsara tarehy sy ho tsara bika kokoa? Tadidio koa fa ny fifaliana azontsika avy amin’i Jehovah no tena mahatonga antsika hanintona, na firy taona isika na firy taona, ary na salama isika na marary. (Neh. 8:10) Any amin’ny tontolo vaovao isika vao ho salama tanteraka sy ho tanora indray ary tena tsara tarehy. (Joba 33:25; Isaia 33:24) Mandra-pahatongan’izany, dia mila manao safidy tsara sy mino ny fampanantenan’i Jehovah isika. Hanampy antsika izany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah foana, ary hankafy ny fiainana, fa tsy hanahy be loatra momba ny fahasalamana na ny bika aman’endrika.—1 Tim. 4:8.
8-14 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 34-35
Rehefa Misy ny Tsy Rariny
wp19.1 8 § 2
Hoatran’ny Ahoana Andriamanitra?
Manao ny rariny foana Andriamanitra. “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!” (Joba 34:10) Rariny foana ny didim-pitsarany. Izany no nahatonga ny mpanao salamo hilaza hoe: “Hotsarainao araka ny hitsiny ny vahoaka.” (Salamo 67:4) Mahita ny ao am-po izy. Tsy azo fitahina àry izy fa hainy foana ny tena marina. (1 Samoela 16:7) Hitany daholo koa ny tsy rariny sy ny zava-dratsy rehetra. Nampanantena àry izy fa tsy ho ela dia ‘ho ringana tsy ho amin’ny tany ny ratsy fanahy.’—Ohabolana 2:22.
w17.04 10 § 5
Inona no Tsy Hisy Intsony Rehefa Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?
5 Inona no hataon’i Jehovah? Mampirisika ny ratsy fanahy izy mba hiova. (Isaia 55:7) Mbola tsy namoaka didim-pitsarana ho an’ny olona tsirairay mantsy izy, fa ity tontolo ity no efa nomelohiny. Inona anefa no hanjo an’izay tsy mety miova, fa manohana foana an’ity tontolo ity mandra-pahatongan’ny fahoriana lehibe? Nilaza i Jehovah fa horinganiny tsy hisy mandrakizay izy ireny. (Vakio ny Salamo 37:10.) Mety hieritreritra ny ratsy fanahy hoe tsy hanjo azy izany. Maro mantsy no mahay manafina ny ratsy ataony, ary afa-maina izy ireny matetika. (Joba 21:7, 9) Milaza anefa ny Baiboly fa “mijery ny ataon’ny olona” i Jehovah, “ary mahita ny diany rehetra. Tsy misy haizina na haizim-pito azon’ny mpisompatra iafenana.” (Joba 34:21, 22) Tsy misy afaka miafina an’i Jehovah àry. Tsy azo fitahina izy na fetsifetsena. Hitany foana izay ataon’ny mpanao ratsy, na any amin’ny toerana faran’izay maizina aza izy ireo. Hijery izay nisy ny ratsy fanahy isika aorian’ny Hara-magedona, fa tsy ho hitantsika intsony izy ireo. Ho ringana mandrakizay izy ireo.—Sal. 37:12-15.
Vatosoa Ara-panahy
w17.04 29 § 3
Mazoto Manolo-tena Hanompo An’i Jehovah ve Ianao?
3 Nisy tovolahy atao hoe Eliho nihaino ny resak’i Joba sy izy telo lahy. Nanontany an’i Joba izy avy eo hoe: “Raha tena marina aza ny anao, inona moa no omenao [an’Andriamanitra] amin’izany, na azony avy amin’ny tananao?” (Joba 35:7) Tsy te hilaza akory i Eliho hoe tsy misy dikany ny ezaka ataontsika hanompoana an’i Jehovah. Izy koa tsy nahitsin’i Jehovah rehefa niteny an’izany. Te hilaza kosa izy fa tsy voa mafy i Jehovah na tsy manompo azy aza isika. Tsy mila na inona na inona mantsy izy. Tsy misy azontsika atao ka hoe hahatonga azy hanankarena kokoa na hahery kokoa. Avy aminy daholo aza ny toetra tsara sy ny fahaizana ananantsika, ary hitany ny fomba ampiasantsika azy ireny.
15-21 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 36-37
Vatosoa Ara-panahy
it “Fampitana Vaovao sy Hafatra” § 1
Fampitana Vaovao sy Hafatra
Isan-karazany ny fomba nifampitan’olona vaovao sy hafatra tany Palestina fahiny. Nampitaina am-bava ny ankamaroan’ny vaovao teo an-toerana sy avy tany ivelany. (2Sa 3:17, 19; Jb 37:20) Nampita vaovao ny olona avy tany an-tany hafa (matetika niaraka tamin’ny mpiara-manao dia lavitra), rehefa nijanona hisakafo, hisotro rano, na hividy vatsy tao amin’izay tanàna nolalovany. Niavaka ny toerana nisy an’i Palestina, noho izy fandalovan’ny mpanao dia lavitra ho any Azia sy Afrika ary Eoropa na avy tany. Mora tamin’ny mponina tao àry ny nahare vaovao lehibe avy tany an-tany hafa. Re tany an-tsena matetika ny vaovao avy tany sy avy teo an-toerana.
ijwfq 57 § 5-15
Inona no Nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra An’ilay Famonoana Tambabe Nataon’ny Nazia?
Nahoana izy ireo no nenjehina?
Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah satria nankatò foana an’izay lazain’ny Baiboly. Tsy nanaiky, ohatra, izy ireo rehefa nasain’ny Nazia nanao zavatra raran’ny Baiboly. Naleon’izy ireo nankatò an’Andriamanitra fa tsy olona, satria Andriamanitra no mpitondra azy ireo. (Asan’ny Apostoly 5:29) Ireto, ohatra, ny safidy nataon-dry zareo:
1. Tsy nidikiditra tamin’ny politika. Hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra amin’izao andro izao, dia tsy nety nidikiditra tamin’ny resaka politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritra nofehezin’ny Nazia. (Jaona 18:36) Noho izany, dia...
● tsy nanao miaramila na nanohana ny ady izy ireo.—Isaia 2:4; Matio 26:52.
● tsy nifidy izy ireo rehefa nisy fifidianana, ary tsy niditra tamin’ny fikambanana nazia.—Jaona 17:16.
● tsy nanangan-tanana izy ireo rehefa nahita lakroa nazia, ary tsy nilaza an’ilay fiarahabana hoe “Heil Hitler!”—Matio 23:10; 1 Korintianina 10:14.
2. Tsy niala tamin’ny fivavahany mihitsy. Norarana ny fivavahan’izy ireo tamin’izany, nefa mbola nanao an’ireto ihany izy ireo:
● Niara-nivory mba hivavaka sy hanompo an’Andriamanitra.—Hebreo 10:24, 25.
● Nitory ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly sy nizara boky sy gazety ara-baiboly.—Matio 28:19, 20.
● Nanampy ny mpiara-monina taminy, anisan’izany ny Jiosy.—Marka 12:31.
● Tsy nety niala tamin’ny fivavahany. Tsy nety, ohatra, izy ireo rehefa nasaina nanao sonia taratasy nilaza hoe tsy hino intsony an’izay zavatra inoany.—Marka 12:30.
Tsy mahagaga raha niteny ny Profesora Robert Gerwarth hoe ny Vavolombelon’i Jehovah “irery no antokon’olona nenjehin’ny fitondran’i Hitler noho ny fivavahany.” Tsy niova hevitra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena nampiaiky an’izay niara-nigadra taminy tany amin’ny toby fitanana. Izao, ohatra, no tenin’ny voafonja iray avy any Aotrisy: “Tsy mety mandeha miady ry zareo. Aleony vonoina ho faty toy izay hamono olona, na iza io na iza.”
22-28 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 38-39
Vatosoa Ara-panahy
it “Mpanome Lalàna”: “Jehovah” § 1-2
Mpanome Lalàna
Jehovah. I Jehovah no tena Mpanome Lalàna eo amin’izao rehetra izao, satria izy no nanao an’ireo lalàna mifehy ny zavaboary tsy mananaina (Jb 38:4-38; Sl 104:5-19) sy ny biby. (Jb 39:1-30) Fehezin’izany lalàna izany koa ny olombelona satria noforonin’i Jehovah. Tokony hanaraka ny lalàny momba ny fitondran-tena koa ny olombelona, satria zavaboary misaina afaka mifandray aminy sy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Ro 12:1; 1Ko 2:14-16) Mifehy an’ireo anjely koa ny lalàn’i Jehovah.—Sl 103:20; 2Pe 2:4, 11.
Tsy azo foanana ny lalàn’i Jehovah mifehy ny natiora. (Je 33:20, 21) Tsy miovaova sady azo itokisana ny lalàny mifehy an’izao rehetra izao hita maso. Ny mpahay siansa mahay an’ireny lalàna ireny àry dia afaka mamantatra tsara hoe aiza ho aiza no hisy ny volana, planeta, na kintana, amin’ny fotoana iray. Hahita loza avy hatrany izay manohitra an’ireny lalàna ireny. Tsy azo foanana koa ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, ary tsy ho afa-maina izay mandika na mitady hirika tsy hanarahana izany. Hahita loza tokoa izy ireo, na dia mety tsy ho eo no ho eo aza ny sazy, satria “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Ga 6:7; 1Ti 5:24.
29 JANOARY–4 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 40-42
Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavatra Niainan’i Joba?
w10 15/10 3-4 § 4-6
‘Iza no Nahafantatra ny Sain’i Jehovah?’
4 Rehefa misaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah isika, dia tsy tokony ho maika hitsara azy araka ny fomba fihevitr’olombelona. Hoy i Jehovah tamin’ireo Israelita nanao izany: “Nihevitra ianao fa hanjary hitovy aminao tokoa aho.” (Sal. 50:21) Hoy ny manam-pahaizana iray, 175 taona mahery izay: “Maika hitsara an’Andriamanitra ny olona. Mihevitra izy ireo fa tokony hitovy amin’ny olombelona Andriamanitra, ka hanao izay zavatra heverin’izy ireo fa mety.”
5 Tsy tokony hanantena isika hoe tsy maintsy mifanaraka amin’izay eritreretintsika sy irintsika ny zavatra ataon’i Jehovah. Voafetra mantsy ny zavatra fantatsika, ary mety ho diso hevitra isika satria tsy lavorary. Rehefa mianatra ny Soratra Masina, ohatra, isika, dia mety hahita fa hoatran’ny tsy tena ara-drariny ny zavatra sasany nataon’i Jehovah. Nihevitra ny Israelita fa tsy rariny ny fomba nitondran’i Jehovah azy. Hoy anefa i Jehovah tamin’izy ireo: “Hiteny ianareo hoe: ‘Tsy mety ny ataon’i Jehovah.’ Koa henoy àry, azafady, ry taranak’Israely ô! Tsy mety tokoa ve ny ataoko? Tsy ny ataonareo ve no tsy mety?”—Ezek. 18:25.
6 Inona no azontsika atao mba tsy ho maika hitsara an’i Jehovah isika? Mila mitadidy isika hoe voafetra ny zavatra fantatsika ary diso hevitra tanteraka isika indraindray. Nila nitadidy izany i Joba tamin’izy nijaly. Kivy be izy ka tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany. Hadinony hoe mbola misy zavatra lehibe kokoa tokony ho nataony an-tsaina. Nanampy azy anefa i Jehovah. Nahariharin’i Jehovah taminy fa voafetra ny zavatra fantany. Nametraka fanontaniana 70 mahery tamin’i Joba mantsy izy, nefa tsy nisy voavaliny izany. Nanetry tena i Joba, ary niaiky fa diso.—Vakio ny Joba 42:1-6.
w17.06 25 § 12
Tadidio Foana hoe Inona no Tena Zava-dehibe
12 Ratsy fanahy ve i Jehovah satria nivantana be izy niteny an’i Joba nefa i Joba aza vao avy nijaly be? Tsia! Tiany i Joba matoa nanariny. I Joba koa tsy nieritreritra hoe ratsy fanahy izy. Nankasitraka an’ilay torohevitra izy, ary nilaza mihitsy hoe: “Tsoahako ny teniko, ary mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” (Joba 42:1-6) Nananatra an’i Joba koa ny tovolahy atao hoe Eliho, taloha kelin’izay. (Joba 32:5-10) Nanaiky ny torohevitr’i Jehovah i Joba ary nanova ny toe-tsainy. Nilaza àry i Jehovah fa nankasitrahany i Joba satria tsy nivadika na dia nijaly aza.—Joba 42:7, 8.
Vatosoa Ara-panahy
it “Maneso”: “Esoina ny mpanompon’Andriamanitra” § 6
Maneso
Olo-marina sy tsy nivadika mihitsy i Joba na dia tototry ny fanesoana aza. Nanjary diso hevitra anefa izy, ary nanao fahadisoana ka nahitsy. Hoy i Eliho: “Iza no lehilahy tomady tahaka an’i Joba, izay misotro fanesoana toy ny fisotro rano?” (Jb 34:7) Nifantoka be loatra tamin’ny fanamarinana ny tenany i Joba fa tsy tamin’ny fanamarinana an’Andriamanitra. Nasongadiny kokoa ny fahamarinany mihoatra noho ny an’Andriamanitra. (Jb 35:2; 36:24) Naneso mafy azy ny ‘namany’ telo lahy, ary noheveriny hoe izy no nesoina fa tsy Andriamanitra. Toy ny hoe nalainy ho an’ny tenany ireny fanarabiana sy fanesoana ireny, ka nahafaly azy izany toy ny olona mahita fahafinaretana rehefa misotro rano. Nohazavain’Andriamanitra tamin’i Joba tatỳ aoriana fa Andriamanitra, raha ny marina, no tena niantefan’ireo teny tsy marina nolazain’ireo mpaneso. (Jb 42:7) Hoy koa i Jehovah tamin’i Samoela, rehefa nangataka mpanjaka ny Israely: “Tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.” (1Sa 8:7) Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako [fa tsy noho ny nataonareo].” (Mt 24:9) Mila mitadidy izany ny Kristianina mba hanampy azy hiaritra ka hanana toe-tsaina tsara foana raha misy maneso. Ho mendrika ny hahazo valisoa izy rehefa miaritra toy izany.—Lk 6:22, 23.
5-11 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 1-4
Miandania Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra
w16.04 29 § 11
Aza Manohana An’ity Tontolo ity Mihitsy!
11 Fitiavan-karena. Mety hanaiky lembenana isika rehefa misy fitsapana, raha miraiki-po be amin’ny fananantsika. Nilaza i Ruth, any Malawi, fa maro ny Vavolombelona nivadika rehefa nisy fanenjehana tany, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Hoy izy: “Nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana niaraka taminay ihany ny sasany. Nalahelo ny fiainany taloha anefa ry zareo, ka lasa niditra tao amin’ny antoko politika ary avy eo niverina nody. Mafy mantsy ny fiainana tao amin’ilay toby ka tsy te hiaritra ry zareo.” Tsy nanaiky lembenana kosa ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah, na dia sarotra aza ny fiainana ary na dia namoy ny fananany rehetra aza izy ireo.—Heb. 10:34.
Vatosoa Ara-panahy
it “Akofa”
Akofa
Vary akotry (orza na varimbazaha) poakaty. An’ohatra ny akofa resahin’ny Baiboly, nefa ahalalana ny asa teny am-pamoloana fahiny ihany ny andininy miresaka azy ireny. Tsy nilaina ny akofa taorian’ny fijinjana satria tsy azo nohanina, ka nety tsara hilazana zavatra maivan-danja, tsy misy dikany, tsy ilaina, na zavatra tokony havahana sy hariana satria tsy tsara.
Niraraka ny akofa rehefa novelezina teny am-pamoloana ny varimbazaha. Nopaohin’ny rivotra toy ny vovoka izy io avy eo, rehefa nokororohina ny vary. (Jereo FIKOROROHANA.) Toy izany koa no hanesoran’i Jehovah Andriamanitra ny mpivadi-pinoana tsy ho eo anivon’ny vahoakany, sy hamongorany ny ratsy fanahy sy ny firenena manohitra azy. (Jb 21:18; Sl 1:4; 35:5; Is 17:13; 29:5; 41:15; Ho 13:3) Hotorotoroin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahavalony, ka ho mora paohin’ny rivotra toy ny akofa.—Da 2:35.
Tsy nilaina ny akofa ka nangonina sy nodorana, sao notsofin’ny rivotra niverina nankeo amin’ny antontam-bary avy nokororohina. Hodorana na haringana koa ny mpitondra fivavahana ratsy fanahy, hoy i Jaona Mpanao Batisa. Hangonin’i Jesosy Kristy ny vary izay toy ny hoe eny am-pamoloana, “fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.”—Mt 3:7-12; Lk 3:17; jereo ASA ENY AM-PAMOLOANA.
12-18 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 5-7
Vatosoa Ara-panahy
it “Fasana” § 4
Fasana
Naka teny tao amin’ny Salamo 5:9 ny apostoly Paoly rehefa nilaza fa toy ny “fasana misokatra” ny tendan’ny ratsy fanahy sy mpamitaka. (Ro 3:13) Toy ny fasana misokatra mba hofenoina faty ho simba ny vavan’izy ireo, satria misokatra mba hamoaka teny mahafaty sy manimba olon-kafa.—Ampit. Mt 15:18-20.
19-25 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 8-10
Vatosoa Ara-panahy
it “Rantsantanana” § 2
Rantsantanana
Lazaina an’ohatra hoe mampiasa ny ‘rantsantanany’ Andriamanitra rehefa misy zavatra ataony, ohatra hoe nanoratra ny Didy Folo teo amin’ny takela-bato (Ek 31:18; De 9:10), nanao fahagagana (Ek 8:18, 19) na koa namorona ny lanitra (Sl 8:3). Porofoin’ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana fa ny fanahy masina no lazaina hoe rantsantanan’Andriamanitra. Voalaza ao mantsy fa nivezivezy teny ambonin’ny rano ny hery ampiasain’Andriamanitra (roah na fanahy). (Ge 1:2, f.a.p.) Mbola mazava kokoa aza ny Soratra Grika Kristianina satria milaza i Matio ao fa ‘tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra’ no namoahan’i Jesosy demonia, ary i Lioka kosa milaza hoe “ny rantsantanan’Andriamanitra” no nanaovan’i Jesosy izany.—Mt 12:28; Lk 11:20.
26 FEBROARY–3 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 11-15
Alao Sary An-tsaina hoe ao Amin’ny Tontolo Vaovao Ianao
w06 15/5 18 § 3
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana I
11:3—Inona ireo fanorenana lazaina fa rava? Tsy inona izany fa ireo fototra iorenan’ny fiaraha-monina, izany hoe ny lalàna sy ny filaminana ary ny rariny. Mikorontana ny fiaraha-monina ary manjaka ny tsy rariny, rehefa atao tsinontsinona ireo fototra ireo. Tsy maintsy mitoky tanteraka amin’Andriamanitra “ny marina” amin’izay fotoana izay.—Salamo 11:4-7.
wp16.4 11
Mety Mbola ho Foana ve ny Herisetra?
Milaza ny Baiboly fa kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra tanteraka ny herisetra. Efa hiatrika ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” ity tontolo mahery setra ity. (2 Petera 3:5-7) Tsy hisy intsony ny olona mahery setra mampijaly ny hafa. Nahoana isika no afaka matoky fa te hanafoana ny herisetra Andriamanitra?
‘Tena halan’i Jehovah ny olona tia herisetra.’ (Salamo 11:5) Tia rariny sy tia fihavanana koa ilay Mpamorona antsika. (Salamo 33:5; 37:28) Tsy handefitra foana amin’ny olona mahery setra àry izy.
w17.08 6 § 15
Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?
15 Nahoana i Davida no vonona hiandry foana? Hita ao amin’ilay Salamo faha-13 ny valin’izany. Hoy i Davida ao: “Fa izaho kosa matoky ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, hifaly amin’ny famonjenao anie ny foko! Hihira ho an’i Jehovah aho fa namaly soa ahy izy.” (Sal. 13:5, 6) Natoky i Davida hoe tia azy i Jehovah ary tsy hivadika aminy mihitsy. Nitadidy an’ireo fotoana nanampian’i Jehovah azy izy, ary natoky fa hanavotra azy i Jehovah. Fantany fa tsy ho matiantoka mihitsy izy raha miandry.
kr 236 § 16
Inona no Efa Ataon’ilay Fanjakana sy Mbola Hataony?
16 Tsy hisy hampahatahotra antsika. Ela ny ela ka ho tanteraka ara-bakiteny ny Isaia 11:6-9. Tsy hatahotra isika na aiza na aiza halehantsika, na lehilahy isika na vehivavy na ankizy. Tsy hisy olona na biby haninona antsika intsony. Eritrereto ange e! Azonao aleha daholo na aiza na aiza. Azonao ilomanosana, ohatra, na renirano, na farihy, na ranomasina. Afaka mandehandeha any an-tendrombohitra koa ianao, ary afaka mikarenjy any anaty kirihitra rehetra any, nefa tsy hisy haninona anao. Tsy hatahotra ianao, na amin’ny alina aza. Ho tanteraka koa ny Ezekiela 34:25, ka tsy hanana ahiahy ianao na dia hipetraka “any an-tany efitra” sy “hatory any an’ala” aza.
Vatosoa Ara-panahy
w13 15/9 19 § 12
Efa Niova ve Ianao?
12 Mampalahelo fa manana ny toe-tsaina noresahin’i Paoly ny ankamaroan’ny olona manodidina antsika. Mihevitra izy ireo fa efa nilaozan’ny toetrandro ny fanarahana fitsipika na toro lalana, ary tery saina ny olona manery ny hafa hanaraka an’izany. Maro ny mpampianatra sy ray aman-dreny milefitra loatra, ary mampianatra hoe mahazo manao izay tiany ny tsirairay. Mino izy ireo fa tsy misy ny hoe tena tsara na tena ratsy. Na ny olona milaza ho mpivavaka aza mihevitra fa afaka manao izay eritreretiny fa mety izy ireo, ary tsy voatery hankatò an’Andriamanitra sy ny didiny. (Sal. 14:1) Mety hampidi-doza antsika Kristianina ny fomba fisaina toy izany. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia mety hanjary tsy hankatò ny toromariky ny fandaminan’i Jehovah, na himenomenona rehefa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreritsika. Mety hisalasala koa isika raha tena mahasoa ny torohevitra ara-baiboly momba ny fialam-boly sy ny Internet ary ny fianarana ambony.