15-21 APRILY
SALAMO 29-31
Hira 108 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Tia Antsika Andriamanitra Matoa Izy Manafay Antsika
(10 min.)
Nihodina tsy nijery, na nanafina ny tarehiny i Jehovah rehefa tsy nankatò i Davida (Sl 30:7; it “Tarehy, Tava”: “Fomba fiteny misy hoe ‘tava’ na ‘tarehy’” § 10)
Nibebaka i Davida dia nitalaho famindram-po tamin’i Jehovah (Sl 30:8)
Tsy tezitra tamin’i Davida intsony i Jehovah (Sl 30:5; w07 1/3 19 § 1)
SAINTSAINO IZAO: Ahoana no ampisehoan’ny olona iray voaroaka hoe mandray soa avy amin’ny famaizana azy izy sady tena mibebaka?—w21.10 40:18.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Sl 31:23: Hataon’i Jehovah ahoana izay olona mirehareha? (w06 15/5 19 § 14)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
(4 min.) ll 8:4, 5 (th lesona 10)
4. Miresadresaha Aloha
(1 min.) FITORIANA AMPAHIBEMASO. Ataovy fohy ny resakao rehefa mitory amin’ny olona be atao. (lmd 5:3)
5. Miresadresaha Aloha
(3 min.) FITORIANA TSY ARA-POTOANA. Mampisehoa video ho an’ny ankizy amin’ny renim-pianakaviana iray, ary hazavao aminy hoe ahoana no atao mba hahitana video hafa. (lmd 3:3)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(3 min.) FITORIANA AMPAHIBEMASO. Asao hianatra Baiboly indray ny olona iray tsy nety nianatra teo aloha. (lmd 8:3)
7. Rehefa Mampianatra
(4 min.) lff 14:5 (th lesona 6)
Hira 45
8. Nahoana Isika no Mino hoe... Be Fitiavana Andriamanitra?
(7 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay VIDEO. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:
Ahoana no ahitantsika avy amin’iny tantara iny hoe be fitiavana i Jehovah?
9. Vaovao avy Amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana (2024)
(8 min.) Lahateny. Alefaso ilay VIDEO.
10. Fianarana Baiboly
(30 min.) lfb 63, 64