FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.5 1
  • 6-12 Mey

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 6-12 Mey
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.5 1

6-12 MEY

SALAMO 36-37

Hira 87 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Aza Sosotra Amin’ny Ataon’ny Mpanao Ratsy”

(10 min.)

Mijaly isika noho ny ataon’ny ratsy fanahy (Sl 36:1-4; w17.04 10 § 4)

Vao mainka isika ho voa mafy raha tezitra amin’ny “mpanao ratsy” (Sl 37:1, 7, 8; w22.06 25:10)

Hilamin-tsaina isika raha matoky ny fampanantenan’i Jehovah (Sl 37:10, 11; w22.08 33:11)

Anabavy iray mikorontan-tsaina eo am-pamakiana vaovao ao anaty telefaoniny. Mahita sary maromaro izy: Sarin’olona mitokona sady tezitra be, polisy mandray kolikoly, miaramila mitifitra, lehilahy iray mitondra fiadiana ao amin’ny toerana fametrahana fiara, mpandroba mitondra ny zavatra nangalariny, olona mirotaka, ary mpamonjy voina tonga eo amin’ny toerana misy lozam-piarakodia.

SAINTSAINO IZAO: ‘Liana loatra amin’ny vaovao manasongadina ny ataon’ny mpanao ratsy ve aho, ka lasa mikorontan-tsaina?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 36:6: Inona no tian’ny mpanao salamo holazaina amin’ny hoe toy ny “tendrombohitra tsara tarehy” [na “tendrombohitr’Andriamanitra”, f.a.p.] ny fahamarinan’i Jehovah? (it “Tendrombohitra”: “Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana” § 10)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 10:1, 2 (th lesona 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. (lmd 1:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly ny olona iray tsy nanaiky hianatra taloha. (lmd 9:4)

6. Lahateny

(5 min.) ijwbv 45: Foto-kevitra: Inona no Tian’ny Salamo 37:4 Holazaina? (th lesona 13)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 33

7. Vonona Hiatrika “Fotoan-tsarotra” ve Ianao?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Noho ny loza isan-karazany mitranga eran-tany, na loza araka ny natiora izany na loza vokatry ny nataon’ny olombelona, dia misy amin’ny mpiara-manompo amintsika mamoy ny fananany sy maty havana. (Sl 9:9, 10) Mety hitranga amintsika rehetra izany, ka mila miomana daholo isika.

Ankoatra ny fanomanana ny zavatra ilaintsika,a inona koa no tokony hataontsika mba ho vonona rehefa mitranga ny loza?

  • Omano ny saina: Ekeo hoe mety hitranga ny loza, ary eritrereto dieny izao izay tokony hataonao mba ho vonona amin’izany. Aza miraiki-po be loatra amin’ny fanananao. Tsy hanaonao foana ianao amin’izay fa hifantoka amin’ny famonjena ny ainao sy ny ain’ny olon-kafa, fa tsy ny fanananao. (Ge 19:16; Sl 36:9) Tsy ho kivy na halahelo be koa ianao raha afoinao ny fanananao.​—Sl 37:19

  • Hatanjaho ny fifandraisanao amin’i Jehovah: Miezaha hatoky kokoa hoe hahavita hikarakara anao i Jehovah sady maniry hanao an’izany. (Sl 37:18) Alohan’ny hitrangan’ny loza, dia tadidio foana hoe ho vitan’i Jehovah ny hitarika sy hanohana antsika mpanompony na dia mety hoe ‘ny aintsika’ ihany aza no ‘ho babontsika.’​—Je 45:5; Sl 37:23, 24

Raha matoky isika hoe ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, dia ho “fiarovana mafy” ho antsika izy “amin’ny fotoam-pahoriana.”​—Sl 37:39.

Sary: Nalaina avy tao amin’ilay video hoe “Vonona ve Ianao Raha Misy Loza Mitranga? “ 1) Rahalahy iray mamaky Baiboly. 2) Tsunami. 3) Rahona mitondra oram-baratra. 4) Olona tratran’ny tondra-drano miloloha entana.

Alefaso ilay VIDEO hoe Vonona ve Ianao Raha Misy Loza Mitranga? Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Ahoana no anampian’i Jehovah antsika ao anatin’ny fotoam-pahoriana?

  • Inona avy no azontsika atao mba ho vonona hiatrika an’izay mety hitranga?

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny tra-boina?

TANJONA

  • Rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao, dia mariho izay andinin-teny mety hampahery anao sy ny olon-kafa. Azonao atambatra ho marika iray ao amin’ny JW Library® ireo andinin-teny hitanao.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 69, 70, 71

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 57 sy Vavaka

a Jereo ny Mifohaza! No. 5 2017, pejy 4-6.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara